Edito

Hafa ihany i Dada !


  • Talata 24 Martsa 2015

Mihazakazaka ny raharaham-pirenena. Ny nifaranan’ny hetsika fanao isan’andro teny amin’ny Magro nandritra ny enin-taona no ela dia indro fa tonga nanolotra vola an-jatony tapitrisa euro teny Mahazoarivo ry zareo eoropeanina mba hanamboaran-dalana sy hamonjena ny Jirama ary hikarakarana ny fampidirana rano fisotro madio amin’ny faritra maro manerana an’i Madagasikara.

  Tsy misy ny hoe fifanandrifin-javatra amin’ny resaka diplaomasia sy ny politika, fa matoa mitranga ny zavatra iray dia efa voaomana mialoha…Niangavy an’i Marc Ravalomanana mba hampitsahatra tanteraka ny hetsik’ireo mpomba azy ny mpivory amin’ilay fampihavanan’ny FFKM, dia nataony tokoa izany ary tanteraka. Nilaza koa anefa ity filoha teo aloha ity fa tsy mitsahatra ny miresaka amin’ireo mpiara-miasa sy mpmatsy vola antsika ny amin’ny tsy maintsy hanampiana maika an’i Madagasikara, dia io fa nanome vola ny eoropeanina. Herintaona anefa dia nihodinkodina am-pitoerana fotsiny ny fitondrana HVM fa tsy nety nahazo famatsiambola. Ka tsy efa mazava ve izany izao fa any amin’ingahy Ravalomanana ny lakile amin’ity resaka famatsiambola ity e ! Ary nampiseho izy fa tsy voatery eo amin’ny fitondrana, na manampahefana be an-taoniny vao afaka miasa ho an’ny firenena sy manasoa ny vahoaka. Hafa ihany i Dada e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT