Hadihevitra tokony hafana!

Hadihevitra tokony hafana,


  • Alakamisy 10 Septambra 2026

izany hoe, fifangadiana hevitra

tokony hafana izany izao no heverina fa mila andrasana taorian’izay fakàn-kevitra ny herivelona samihafa nandritry ny 8 andro teny Iavoloha izay! Efa noresahina teto hatrany izay fahasamihafàn’ny zava-nisy hatramin’izay dia ilay antsointsika mahazatra hoe «adihevitra» na fampiadiana hevitra sy ny hoe «hadihevitra» na fangadiana hevitra izay. Heverina fa tontosa izay ny atao hoe dinika na fakàn-kevitra. Nety ve sa tsia? Tomombana sa tsia? Izay no vita. Tsy azo heverenana intsony iny fa raha nisy ny lesoka dia izay no heverina fa tokony mila harenina, mba tsy ilazàna hoe tsy maintsy harenina any amin’ilay antsoina hoe tena fikaonandoham-pirenena. Nahasolo tena ny herivelona rehetra ve ireo rehetra tonga teny an-toerana. Raha eny, arahaba soa, arahaba tsara! Raha tsia, heverina fa mila jerena ny hanarenana an’izany. Nisy voalaza ho avy amin’ny rafitra ara-drazana tao. Nisy antoko politika maro. Nisy avy amin’ny fiarahamonim-pirenena, solontenan’ny tanora, fikambanana samihafa ihany koa, raha ny fampitàm-baovao voaray hatrany. Raha ny fanazavàna hatrany am-boalohany ihany koa dia hoe noraisina ny hevitr’ireny herivelona ireny mba hahafahana mitantana ny fotoana rehefa tonga ilay fikaonandoha iraisan’ny rehetra. Mba tsy handany fotoana amin’ny mety ho resaka miverimberina satria raha ny toetrantsika malagasy hita hatramin’izay ihany koa aloha izany dia sady tia manatavy resaka ny ankamaroany na koa hoe tia izay resaka miverimberina izay nefa tsy mahay mitsotra ny tena tiana ho lazaina. Nisorohana ny mety ho sanatria fanaovana ny fomba mahazatra ny hafa teo aloha, izay antsoina hoe fisolelahana sy filàna ranondranony mameno resaka ihany koa ve no anton’ilay sava lalana amin’izay hoe fakàn-kevitra na dinika politika vita izay? Ny hirariana aloha izany na inona na inona anton’izay efa vita rehetra izay dia ny hoe mba tena hitondra vahaolana hampandroso maharitra izao firenena efa tena torovana izao amin’izay ny dingana rehetra vita hatreto sy mbola hoavy amin’ity hoe fikaonandoham-pirenena ity.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT