Edito

Gisalahy homan-ketsa ?


  • Zoma 02 Oktobra 2020

Nangataka fanafoanana trosa amin’ny banky iraisam-pirenena ny Filoha Rajoelina ny talata lasa teo.

Afahana mitrosa indray amin’ny ankapobeny no hanaovan’ny firenena mahantra izany. Aiza ilay vava be tamin’ny fampielezan-kevitra sy ny adihevitra tamin’ny haino aman-jerim-panjakana fa tsy mila famatsiam-bola iraisam-pirenena mampahantra an’i Madagasikara? Mby aiza ilay hoe isika indray no hampindram-bola amin’ny Kaomoro? Ny vola tsy misy, ny programan’asa nentina tamin’ny propagandy toa poakaty. Ny laharam-pahamehana miovaova am-pandehanana, ary indraindray maneso vahoaka ny zavatra atao. Ny tetikasa sasany ireharehana efa ny teo aloha no angady nananana sy vy nahitana azy. Marina fa manangan-javatra mba ho tandindona, fa raha izay fiainam-bahoaka sy resaka toekarena mihemotra hatrany i Madagasikara. Ara-politika, ambony ny risika hisian’ny krizy, ary efa tandindonin’izany io firosoana amin’ny fifidianana tsy hisy fandraisan’anjaran’ireo hery politika sokajiana ho matanjaka. Miverina any amin’ny fanozongozonana ny fahefana azon’ny mpitondra ny raharaha. Nisy ny fandeferana tamin’ny fifidianana teo anatrehan’ny fahatsapana ny tsy rariny, ny resaka hala-bato, ny lisi-pifidianana nisy “doublon”,… kanefa voasoroka ny fifandonana sy ny krizy. Efa tsy marin-toerana ny fahefana mbola mahavita mandrehitra afo. Lasa gisalahy homan-ketsa no hitsaran’ny andaniny ny fanjakana ankehitriny, ka izy diso indray no avo vava. Mitombo ny lonilony eo anatrehan’ny fisamborana, fanagadrana, fanidiana orinasa,… Ny olana ara-toekarena sy ara-tsosialy tsy tena misy vahaolana mafonja. Ny mpitondra no manana seza sy tombotsoa harovana, fa tsy ny mpanohitra velively izay sokajiana amin’ilay hoe: “rien à perdre” araka ilay fomba fiteny vahiny, ka dia ho hita miandalana eny ny fiafaran’ny tantara.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT