Edito

Gidragidra tao Antsapanimahazo Nitifitra ny zandary, telo no naratra mafy !


  • Alatsinainy 07 Jolay 2014

Tapaka ora vitsy ny lalam-pirenena faha-7, tao Antsapanimahazo, Kaominina Antsoantany, 22km avaratr’Antsirabe omaly nanomboka tamin’ny 4 ora tolakandro teo....

Resaka halatra omby no niandohan’ny olana. Omby efa maty no hitan’ny mpanara-dia ary nahatrarana olona tao an-tanàna tondroina ho tompon’antoka tamin’izany. Notanan’ny zandary avy hatrany izy io. Nitaky ny hamoahana azy io hanaovana fitsaram-bahoaka anefa ny Fokonolona ka teo no raikitra ny korontana. Nampiasa ny fitaovana teo am-pelatanany nanaparitahana ny olona ny zandary ary nisy ny voatifitra ankoatra ireo naratra vokatry ny fifanosehana. Telo tamin’izy ireo no tsaboina ao Antsirabe. Vao mainka nampitombo ny hatezeram-bahoaka izany, ka nitatra tamin’ny fametrahana sakana tamin’ny lalam-pirenena ny raharaha, ary nitaky ny hamoahana ilay zandary nitifitra sy ilay dahalo izy ireo. Nitohana ny fifamoivoizana, ary efa nahatratra amina kilaometatra ny fiara nihitsoka avy any Antsirabe sy ny mianatsimo manaraka ny RN7. Niditra an-tsehatra ny Emmo-Reg nanokatra ny lalana. Efa nilenti-masoandro vao niverina tamin’ny laoniny ny fifamoivoizana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT