Edito

Gadran-drafitra


  • Sabotsy 02 Desambra 2017

« Néolibéralisme » na rafitra iray goavambe eto amin’izao tontolo izao izay mifantoka amin’ny fampahantrana ireo vahoaka maneran-tany na koa ao amin’ny firenena isanisany mba


hahafahana olom-bitsy mibodo samirery ny harena misy eto amin’ity tany ity. Na mpitondra fivavahana na mpahay toekarena na mpandinika fiarahamonina dia efa samy naneho hevitra fa rivotra mitsoka eto amin’izao tontolo izao io ankehitriny ary lasibatra amin’ny fampiharana azy aty amin’ny firenena an-dalam-pandrosoana.  Ahoana no ahafahana manda fa tsy voagejan’io rafitra io ihany koa i Madagasikara amin’izao fotoana izao kanefa dia rafitra iraisam-pirenena mihitsy no milaza fa mitovy amin’ny taham-pahantrana misy any amin’ireo firenena anaty ady no taham-pahantrana misy eto ? Tsy efa difotry ny fahantrana noho io rafitra mamonja azy io ve isika ankehitriny matoa samosa aza hamonoana olona toy ireny mamono akoho ireny ? Na inona na inona fanazavana omen’izay tompon’andraikitra dia mbola gadran-drafitra aloha isika hatreto ka izay mahametimety ireo firenen-dehibe sy rafitra matanjaka maneran-tany hatrany no ataon’ireo mpitondra fa ambinambin-javatra sisa ilay « Tombontsoa ambonin’ny firenena ». Tsy mbola nisy fidanganam-bidim-piainana nihoatra izao iainana ankehitriny izao teo amin’ny tantaram-pirenena.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT