Edito

Gaboraraka hatrany


  • Zoma 29 Janoary 2016

Io ary ilay efa nahiana ! Miverina eny an-tsena indray ny harona plastika latsaky ny 50 micron, efa manomboka tsy miafina intsony fa dia efa jifain’ny rehetra indray e !


 Izay ilay olana eto Madagasikara, misy fanapahan-kevitra raisina hanaovana resabe amin’ny gazety sy ny filazam-baovao dia mandeha ny fampitandremana sy ny fampitahorana, avy eo anefa miverina “zero” ny tabilao, tsy voara-maso ny fampiharana ilay lalàna, na fitsipika na fepetra. Io no mahatonga ny olona tsy mahatoky sy tsy matahotra intsony ny fanjakana. Efa fantany mantsy fa resaka no betsaka dia mifanenjikenjika kely eo avy eo miverina amin’ilay mandeha moramora nahazatra hatramin’izay ihany. Ny tena zava-doza amin’izy ity dia tsy hivoatra mihitsy izany ny eto Gasikara fa dia mionona amin’ilay korontana ara-pitantanana sy savoritaka amin’ny fomba fiasa. Lasa mifanilika andraikitra sy mifanome tsiny fotsiny ny rehetra fa tsy misy mahita paikady tena mahomby hanovana ny fomba ratsy efa hita fa tsy nety, na hiampitana any amina sehatra mba tsara kokoa. Tsapa ihany koa fa matetika no tsy ampy ny fanentanana sy fampahafantarana ny olom-pirenena ny zavatra atao fa mipoitra tampoka eo ilay izy dia lazaina fa tsy maintsy  tanterahana haingana fa efa lalàna, hono. Mampalahelo, mampahonena fa ny olana amin’ny lisi-pifidianana, ohatra, dia efa nisy teto tamin’ny 2001, dia aty amin’ny 2013 sy 2015 ve dia tsy voavaha ihany io olana io ? Izay ilay hoe tsy mivoatra mihitsy ary tsy mahay mandray lesona. Sa ve fanahy iniana atao mihitsy ilay izy e ? Dia amin’ny bado foana Ramalagasy dia mora kirakirain’ny mpanao politika !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT