Edito

Gaboraraka foana ve ?


  • Alakamisy 25 Aogositra 2016

Ilaina ny fandaminana ny tanàna izay antoky ny fampandrosoana ny Renivohitra. Tsy mety tapitra anefa ny olana mikasika izany noho ny zava-miseho isan’andro. Nitokona indray omaly ny mpivarotra amoron-dalana etsy Analakely.

Raha ny zava-misy dia sady tsy te hosaziana no tsy te hanara-dalàna ireo mpivarotra. Misy ny finiavan’ny mpitantana ny tanàna hampiditra azy ireo amin’ny sehatra ara-dalàna toy ny famindrana azy etsy amin’ny Kianjan’Ambohijatovo saingy isika Malagasy angamba no efa zatra miaina ao anaty gaboraraka. Rehefa tsy mandray andraikitra ny mpitondra dia voakiana, mandray ny andraikitra tandrify azy manao fandaminana lazaina fa manao didy jadona. Raha samy hanohitra fandaminana ny fiarahamonina dia ho aiza no hiafaran’ity firenena ity ? Ho aiza ireo mpivarotra amoron-dalana raha andeha hirohotra eny Analakely ihany koa ny hafa toy ny mpitatitra sy ny mpitondra fiara ary koa ny mpianatra izay mibaby ny voka-dratsin’ny varotra amoron-dalana, amin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana sy ny tabataban’izy ireny isan’andro ? Ilaina ny fahatongavan-tsain’ny tsirairay !

Toky R.

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT