Edito

Gaboraraka


  • Talata 27 Janoary 2015

Voarafitra indray iny ny governemanta faharoan’ny repoblika fahefatra rehefa tsy nahomby ny notarihin’ny praiminisitra Kolo Roger. Ny 22 tamin’ny 30 no mbola voatana tamin’ny naha minisitra azy, ny sasany nikisaka fotsiny.


Raha dinihina, gaboraraka ny fisafidianana satria ny lohany fotsiny no nesorina. Ireo nampidirina koa namana ny ankamaroany. Ny sondro-bidin’ny entana ilaina koa samy manao izay tiany hatao amin’ny mpanjifa ny mpivarotra. Tena gaboraraka tanteraka ny ataon’ny  fitaterana sy ireo mpamily sy ny mpanampiny amin’ny kalitaon’ny fiara sy ny saran-dalana. Ny vava ratsy sy avonavona amin’izany henoina fotsiny. Ny fitohanan’ny fiara koa no tena antony goavana. Lalana 500m no sandaina 200Ar. Aiza ny polisy misahana ny fifamoivoizana ? Ny jirama moa tsy lazaina intsony. Tsy misy fitsaharany ny menomenon’ny mpiara-belona amin’ny haino aman-jery isan-karazany fa ny gaboraraka ataony ihany no ataony. Ny eny amin’ny antenimieram-pirenena  izay voalaza fa voafidin’ny vahoaka moa dia maneho ohatra ratsy amin’ny maha gaboraraka azy dia ny fitiavan-tena sy vola ary namana fotsiny. Mandroso amin’ny fihemorana isika raha izany no izy. Gaboraraka e !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT