Edito

Fototry ny fampandrosoana


  • Alatsinainy 13 Jolay 2015

Ny fanombohan’ny fampielezan-kevitra amin’ny alakamisy ho avy izao amin’ny 6 ora maraina no vaovao tena misongadina amin’ity herinandro ity. Efa samy nihetsiketsika ireo antoko politika sy fikambanana isan-karazany manolotra sy manohana kandida.

 


 Tsy nisy resaka mihitsy aloha hatreto hoe Rakoto na Rabe voasazy satria nanao fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana fa dia noraisina ho tahaka ny fanafanan-tena mialoha ny tena ady goavana ireny rehetra ireny. Manana anjara toerana goavana amin’ny fampandrosoana ny firenena ny kaominina satria io no rafitra mpanatanteraka akaikin’ny vahoaka indrindra. Raha tsorina ny resaka dia efa tahaka ny filoham-pirenena kely ao amin’ilay kaominina tantanany mihitsy ingahy na ramatoa ben’ny tanàna satria manana fandaharanasa izy, manana tetibola, manana mpiara-miasa sy mpanolotsaina ary ifandresen-dahatra ny zavatra atao. Tsy maintsy eken’ny filankevitra monisipaly anefa izay vao azo tanterahana. Midika izany fa tokony ho matotra tsara ny fiatrehana io fifidianana iray io satria iankinan’ny fiainam-bahoaka, ary ny olom-pirenena ihany koa dia mila mandinika tsara ka tena hifidy izay olona hita fa hampandroso marina ny kaominina.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT