Fotoana izao !

Tsy misy maniry hisian’ny fifamaliana


  • Alatsinainy 20 Oktobra 2025

faty ara-politika lava eto ! Tsy misy maniry

fifandonana sy ra mandriaka lava ! Tsy misy mpitondra afaka hiantehitra amin’ny basy aman-tafondro lava izany ka sahy hiteny fa tsy maharesy basy ny vahoala ! Dia ireny ny vokany. Sanatrian’ny vava mbola hisy mpitondra sahy hamerina ny fahadisoana mihoampampana ? Na tiana na tsy tiana, henjana ny fahapotehana tao anatin’izay 16 taona izay. Tsy ny toekarena sy ny sosialy ihany no potika, fa tena niha nahantra ara-toe-tsaina isika Malagasy. Tsy misy intsony sokajin’olona manana fari-piainana salantsalany na « classe moyenne » ka nitombo be ny elanelana, niha lalina ny fahantrana,… kanefa ninia marenina, namita-tena sy nofitahin’ireo mpisolelaka ny mpitondra tany an-tampony ka nihevitra fa mety daholo izay tiany hatao na efa manitsakitsaka tanteraka ny vahoaka aza. Nampanjakaina ny tsy maty manota, ny mpitondra manao ny tsy mety indray no midingin-drambo,… Asa mba manongo tena ihany ireny olona ireny fa isan’ny fositra nampiongana vetivety ny fitondrana izay notohanany sy nataony fitadaiavana harena ? Izao ny mpitondra tany an-tendrony niongana, lasa nitsoaka, mandany ny azo,… Mety milamina foana ny fiainany fa isika madinika nanao ahoana ny fiainantsika ? Marina fa efa lasa ireny kanefa tsy azo hodian-tsy hita. Ny firaisam-po sy fiaraha-mientana eo amin’ny Malagasy, ny fahatongavantsika saina, ny fahatsapantsika fa afaka manao zavatra sy mahavita zavatra isika,… no mila apetraka. Porofo mivaingana iny tolona natao iny, fa rehefa miara-mientana ny rehetra resy tosika foana ny fahavalom-pirenena. Dingana lehibe no vita saingy tsy mbola tratra ny tanjona ! Fotoana izao ! Vitantsika no nanaisotra ny gejan’ny mpitondra jadona sy ny kolikoly koa nahoana no tsy ho vitantsika ny mamaha ny olan’ny Firenentsika sy mampandroso azy hifanaraka amin’ny tena andrasan’ny Malagasy ? Mila tohizana ny làlana, mila mailo ny mpitondra amin’ireo mety ho fingampingana, mila manarina sy manorina Firenena ao anatin’ny fitiavan-tanindrazana fa tsy fitadiavan-tseza…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT