Edito

Fotoana fibebahana


  • Talata 07 Aprily 2020

Ao anatin’ny fankalazana ny herinandro masina moa ankehitriny ny mpino Kristianina.

 

 

Amin’ny ankapobeny ihany koa na dia ezahana apetraka eto amin’ny tany sy ny firenena aza ny tsy tokony hidiran’ny resaka finoana amin’ny fitantanana raharaham-panjakana dia mbola tsy afaka eo amin’ny tany ama-monina malagasy amin’ny ankapobeny ny fanasokajiana an’i Madagasikara ho firenena Kristianina. Fampatsiahivana heno matetika ny hoe Kristianina ny ankamaroantsika. Tsy hidirana lalina ny amin’iny. Ny zava-dehibe kosa anefa ao anatin’izao dia ny hoe fotoana fibebahana izao ho an’ny Kristianina ary fotoana fandinihan-tena ihany koa saingy rehefa mahita ny toe-draharaha misy kosa dia heverina fa tokony ho lojikan’ny olompirenena tsy an-kanavaka mihitsy ny filana izay fibebahana sy fandinihan-tena izay. Ekena fa manerana izao tontolo izao ity areti-mandripaka ity saingy mila tsaroana hatrany fa tsy misy loza tongatonga ho azy ao anatina tontolo na firenena iray izany. Tsy maintsy nisy disadisa tamin’ny zavaboary nitranga tao. Mety tafiditra ao anatin’izany ny resaka tsy fanajana tontolo iainana sy zavaboary hafa kanefa mety misy fomba efa tsy mendrika amin’ny maha olona intsony koa fa mbola niniantsika natao ihany nohon’ny fikatsahana tombontsoa manokana na fikasana hanimba ny hafa fotsiny izao. Mety ho ireo 2 ireo mitambatra koa anefa. Ny azo antoka dia ny hoe ho diso kajy izay ninia nanaparitaka ity loza ity, raha nisy an’izay moa sanatria, satria na ny Ntaolo malagasy aza moa niteny hoe tsy fanao ny mandidy alohan’Andriamanitra. Na lafiny ara-tsosialy, politika, toekarena, eny fa na dia ara-panatanjahantena sy kolontsaina, izany hoe ny mahaolona manontolo, dia samy lasa tsy tomombana avokoa ankehitriny. Asakasak’izay mpitondra minia tsy mihaino ny hafa fa mbola mandray fanapahan-kevitra mandeha ila mikasika ny fomba hifehezana izao toe-draharaha izao moa fa dia efa miteny indray ireo ny mpanohitra izay hita ho hany sisa tsy nohenoina tao anatin’izao raharaha izao.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT