Edito

Fotoam-pitsarana


  • Zoma 16 Aprily 2021

Efa hisasaka ankehitriny no taom-piasan’ny filoham-pirenena Malagasy vaovao na ny marimarina kokoa dia hoe izao fitondrana izao.

 Indramina sy averina eto ny teny famerimberin’ny rehetra hoe tsy isika irery akory no tratran’ity valanaretina ity fa izao tontolo izao. Raha tamin’ny fotoana niangaviana ny fitondrana hanidy ny sisintany no tsy nety izy fa mbola niandry ka nahatonga izao zava-misy izao dia samy nihaino ny setriny ny rehetra. Tsy inona izay setriny izay fa ilay fehezanteny manao hoe “tsy fotoanan’ny fanomezan-tsiny izao.” Na inona anefa ho lazaina dia efa voaporofo ara-tsiantifika tamin’ny alalan’ireo siansa mahaolona sy sosialy, eny politika maro, ny fitombonan’ny hoe mila mahay mitsinjo lavitra rehefa mitondra na ilay hoe “gouverner c’est prévoir”. Tsy hiteny intsony kosa angamba hoe vao 2 taona sy tapany izay satria anatin’ny 5 taona no nifanarahana tamin’ny vahoaka Malagasy hamahana, fara faharatsiny, ny olana fototra misy eto amin’ity firenena ity. Aiza tokoa ary ilay olan’ny Jirama voavaha? Mivoatra ve ny tontolon’ny fanabeazana eto Madagasikara? Milamina ve ny fahasalamam-bahoaka sy fandriampahalemana? Voavaha ve ny olana mikasika ny vidim-piainana? Isan’ny olana fototra izany ary samy mahalala ny valiny ny rehetra tsy anavahana ao anatin’izao fiatombohan’ny fotoam-pitsarana ny zava-bitan’ny fitondram-panjakana zao. Tsy mahagaga raha ny olompirenena tsotra no mahita ireny karazana vazivazy zaritenany hamehezana ny zava-misy ireny. Isany ny filazana fa “Ny filoha miala sasatra, ny governemanta miala bala, ny mpitsabo miala nenina, ny vahoaka miala aina.”. Eo koa ilay hoe “Tsy manome “oxygène” ny fitondrana fa “lacrymogène” no maro raha mila.” Manomboka mandinika io ny olompirenena. Manomboka mitsara!

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT