Edito

“Force One 3”


  • Zoma 13 Aprily 2012

Nilaza ny ho afa-po tamin’ny sidina voalohany natao tamin’ilay fiaramanidina Airbus A340-300 i Andry Nirina Rajoelina sy ireo manampahefana naira-dia taminy, rehefa nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato omaly tamin’ny valo ora maraina.

 Nahamaika sy nahadodona ny mpitondra FAT ny fahazoana ity voromby ity. Tsy mety vita moa ny resabe sy ny adihevitra manodidina azy ity, satria maro no tsy resy lahatra ny amin’ny hoe fitondrana tetezamita no manapa-kevitra fa hanofa fiaramanidina Airbus roa mandritra ny enin-taona ny fanjakana Malagasy, dia avy eo vao ho fananan’ny Air Madagascar ireo fiaramanidina ireo. Tsotra ny antony, nokianina mafy tamin’ny nividianany ilay Boeing 767 ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, ary nambara fa nandany volam-panjakana tamin’ny haitraitra. Ankehitriny anefa dia mahasahy mividy fiaramanidina goavana roa amin’ny Air France ny fitondrana tetezamita, mbola hofaina mandritra ny enin-taona izy ireo, mpanamory Frantsay no karamaina isan’ora hitondra azy, any Frantsa no atao ny fikojakojana azy mandra-panofanana ny teknisianina Malagasy mba hahafehy ny teknolojian’ny Airbus.

Mazava fa dia hotatazan’ny Air France na mora fotsiny ny mpandehan’ny Air Madagascar raha misy fahasimbana ka tsy afaka hisidina ny Airbus. Ny Air France rahateo dia nihazakazaka nividy Boeing 777 nasolony ireo Airbus, izay efa mpankaty Madagasikara, namidy amin’ny Air Madagascar ireto. Ny zava-misy koa dia mody nampisalorana ny lokon’ny Air Madagascar ilay voromby tonga voalohany omaly ity, fa ny laharany dia mbola an’ny Air France. Tsy kasihin’ny Gasy koa ilay “Elatra”, f’izay no anarana tian’i Andry Rajoelina hiantsoana azy, fa vazaha avokoa. Sady tsy mbola voaofana ho amin’io mantsy ny mpanamory gasy no vao hofanina momba azy koa ireo mpikojakoja fiaramanidintsika izay efa zatra Boeing. Ny loza aza dia fantatra izao fa tsy mety hanofana ireo mpanamory tsy mizaka ny zom-pirenena frantsay ilay kaompania nividianana azy, ka dia any Tonizia no handefasana ireo mpanamory Gasy mba hiofana mandritra ny iray volana hahazoana ilay atao hoe QT na “Qualification Type”, hahafahana manamory itony Airbus itony.

Mazava fa dia variana amin’ny seho ivelany sy ny haitraitra ny FAT tarihan’i Andry Rajoelina. Ny fiainam-bahoaka anefa miha mafy, ny vidin’entana miakatra isan’andro, miakatra ny vidin-tsolika sy ny saran-dalana ary mirongatra ny asan-jiolahy. Mitombo isa ny Malagasy tsy manana hanin-kohanina na manao sakafo ambany foitra. Maro be no tsy manana trano isitrihana, kanefa dia ny hividy tontam-piaramanidina roa no mahamaika ny mpitondra. Afaka miteny izay teneniny mba hanamarinany io safidy io i andry Rajoelina sy ny olony, saingy tsy haharesy lahatra na oviana na oviana ny Vahoaka izany. Hatreo am-boalohany rahateo no efa tsy mangarahara ny nahazoana ireto fiaramanidina ireto, ka vao mainka mampitombo ny ahiahin’ny Gasy. Fitondrana nijoro ara-dalàna notarihana filoha voafidy tamin’ny fomba demokratika, nahazo famatsiam-bola aman-jatony tapitrisa euros isan-taona aza, nokianina raha nividy fiaramanidina iray, ka ahoana moa no hanomezana rariny izao fihetsik’i Andry Rajoelina izao ?

Ary mba tokony hatao mangarahara koa ny vola rehetra mbola hivoaka amin’ny kitapom-bolam-panjakana amin’ny fampandehanana ireo fiaramanidina ireo, tahaka ny hoe ohatrinona marina ny hofany isam-bolana na isan-taona ? Ahoana ihany koa ny karaman’ireo mpanamory Frantsay sy ny vola lany amin’ny fikojakojana ny fiaramanidina ? Tsy vitan’ny resaka izany rehetra izany fa misy vola mivoaka, ary na dia efa tapitra aza ny tetezamita, dia mazava izao ny resaka fa tsy maintsy mbola handoa vola sy hanefa trosa isam-bolana ny fitondrana vaovao ho avy eo, raha tsy hoe mbola hitatra aman-taonany maro angaha ny tetezamita ! Tena tsy mazava mihitsy izay eritreritry ny FAT, ny “Force One 2” nambara fa amidy mba hahazoana vola hividianana PPN tsy lafo, dia efa mividy “Force One 3” antitra indray. Tena mahatalanjona e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

Hijery ny tohiny
FTT