Edito

Fonjaben’i Toliara Antitra mila fanavaozana, 775 ny voafonja ao, raha 400 no zakany


  • Alakamisy 10 Jolay 2014

Maro ny olana sendrain’ny mpandraharahan’ny fonja ankehitriny. Teboka telo ao anatin’izany ny fotodrafitrasa, ny fitaovana toy ny fiara ary ny tsy fahampian’ny isan’ny mpiandry fonja izay olona iray miandraikitra voafonja 5 araka ny fenitra iraisam-pirenena. Ho an’ny fonjaben’i Toliara manonkana izay itovizany amin’ireo fonja manerana ny nosy, dia mila fanavaozana ny ao Bazaribe, satria efa antitra tsy manara-penitra intsony......

Ny taona 1959 no nisy fanarenana farany, fa asa vonjy tavan’andro no natao indraindray. Olana faharoa ihany koa mampitaintain-dava ny vahoaka ny fisian’ity fonja antitra ity afovoan-tanàna, nefa ao no mitoby ireo mpanao heloka bevava sy mpamerin-keloka nania teo anivon’ny fiarahamonina.

 

Tsy manara-penitra intsony

 

 «Efa feno tanteraka ny fonjan’i Toliara ary tsy maharaka ny toeram-pamonjana intsony ny isan’ny voafonja ao, raha 400 no zakany, 775 no tazonina ao ankehitriny, ka 23 amin’ireo vehivavy ary 10 ankizy tsy ampy taona», hoy ny fanazavan-dRabialahy Hajanirina, «éducateur spécialisé». Nambaran’ity mpandraharahan’ny fonja ity, fa 45%-n’ireo voafonja tazomina dia voarohirohy sy voaheloka noho ny halatra omby avokoa. Ny hala-botry kosa no hidirana ao Toliara tampon-tanàna ny fonja ary betsaka ny mamerin-keloka. Raha ny fanazavana hatrany, tao anatin’ny roa herinandro dia ny mpangalatra «cyclo-pousse» ankamaroan’ireo miditra ny fonjaben’i Toliara.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT