Edito

Fonja manara-penitra


  • Alakamisy 15 Novambra 2012

Any am-ponja no miandry ny mety ho fitsarana azy ny Tangalamena Patrick Zakariasy noho ny fanononany anarana mpandraharaha iray ho anisan’ny tafiditra ao anatin’ny raharaha andramena.

 Telo volana an-tranomaizina sazy miantona kosa ny azy mianadahy mpanao gazetin’ny Free FM noho io raharaha io ihany. Tsy misy hevitra fa tonga dia mahazo ny anjarany daholo izany izay sahy miteny zavatra momba ity andramena ity. Na mpanao politika, io na mpanao gazety, na olon-tsotra ka sahy mijoro miteny ny zava-misy manodidina ity trafikana hazo sarobidy ity dia fitsarana sy fonja avy hatrany no miandry azy. Ireo rehetra sahy nilaza ny tsy mety nataon’ny fitondrana tetezamita na naneho hevitra ihany koa, tonga dia zandary – fitsarana – fonja. Ity fonja ity moa dia efa manomboka feno hipoka mihitsy ary tsizarizary tanteraka ny fiainana ao. Toa mitohy tsy manam-pitsaharana anefa ny fisamborana sy fanagadrana dia metimety kokoa ho an’ny fitondrana tetezamita angamba, ny manorina fonja manara-penitra mahazaka olona an’aliny.

Satria mety hampidirina ao daholo ny mpanao politika tsy mitovy firehana amin’ny TGV, ireo sendikalista mitaky ny zony, ny mpianatra mitaky ny fandoavana ny vatsim-pianarana, ny ankamaroan’ny mpanao gazety tsy misolelaka amin’ny mpitondra, ny miaramila sasantsasany ambara fa miandany amin’ny filoha teo aloha, Remenabila sy ireo 800 lahy dahalo miaraka aminy, sy izay rehetra manembatsembana ny fangoronan-karena haingana sady maharitra ataon’ny sasany eto, ankehitriny. Rehefa misy ny olona mandika lalàna dia tsy maintsy ampiharina aminy ny lalàna ka izay no mahatonga ny sazy, fa ny olana tato ho ato izay dia tahaka ny hoe efa misy sokajin’olona ve tsy maintsy diso foana na inona na inona ambarany, etsy ankilan’izay kosa dia misy sokajin’olona marina foana, na inona na inona zavatra ataony. Izany no mahatonga ny fanakianana ny fitondrana tetezamita miha mavaivay isan’andro fa tsy hoe fankahalana an’i Andry Rajoelina manokana tsy akory.

Raha misy mampiahiahy ny fianakaviany ny antony nahafaty an’itompokovavy Nadine Ramaroson, nahoana no tsy nanao fanadihadiana lalina haingana ny fanjakana fa nanaboribory resaka fotsiny, ka rehefa niakatra ny tambavin’ny CST Alain Ramaroson vao manao izao karazana don-tandroka rehetra izao ? Raha misy zavatra tsy mazava momba ny boaderôzy ka mahavoatonontonona matetika anarana mpandraharaha, tsy rariny ve raha hadihadiana ny momba io mpandraharaha io, sy ny mpiara-miasa akaiky aminy ary ny orinasany sasany sa tsy azo kitihana ? Tsy mba miasa saina amin’ity resaka ity ve ny filohan’ny tetezamita fa dia mangina sy manaiky foana ny fanapenam-bava sy fanagadrana ireo sahy miteny ny zava-misy.

 

RTT 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT