Edito

Fombafomba fotsiny ihany


  • Alakamisy 30 Jolay 2015

Hafa dia hafa ny fandraisan’ny olom-pirenena Malagasy ity fifidianana kaominaly 2015 ity. Mihevitra ny ampahany betsaka amin’izy ireo fa tena manan-danja amin’ny ho fizotran’ny raharaham-pirenena izay

 
tsy mbola milamina tanteraka ny ho vokatr’io fifidianana ben’ny tanàna miaraka amin’ireo mpanolontsaina rahampitso zoma 31 jolay io. Vonona ny handray andraikitra rahateo ny Malagasy feno taona rehetra hanatontosa ity adidy masina ialàna amin’ny fahasahiranana amin’ny fiainana an-davanandro mianjady amin’izy ireo ity. Fombafomba fotsiny ihany iny fampielezan-kevitra iny, araka ny hevitry ny ankamaroan’ny olom-pirenena eto an-drenivohitra. Efa samy mahafantatra izay ho kandida ben’ny tanàna hofidiany moa ireo olona manan-jo handatsa-bato taorian’ny propagandy 15 andro fandresehan-dahatra nataon’ireo mpifaninana eo amin’izany toerana mpitarika ny fiaraha-monina eny ifotony izany. Fanirian’izy ireo kosa ny tena hivoahan’ny voka-pifidianana marina manoloana ireo siosion-dresaka maro samihafa amin’ny mety hisian’ny hala-bato.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT