Edito

Fombafomba dia milamina e !


  • Alakamisy 24 Martsa 2016

Anisan’ny fepetra lehibe takian’ireo mpiara-miombon’antoka sy mpiara-miasa avy any ivelany ny fanjakana tsara tantana sy ny tany tan-dalàna.


 Tsy atao mahagaga raha mailo amintsika sy tsy tena marisika mandrotsaka vola be eto toy ny ataony any amin’ny firenen-kafa, tahaka an’i Maorisy ireo mpamatsy vola satria tsy mbola hita taratra eto Madagasikara ireo. Maro ny manampahefana voatonontonona amina afera maizina, manao ny ataony koa ny olona akaikin’ny mpitondra sy ny fianakaviany. Etsy an-kilany, miha mahazo vahana ny fitsaram-bahoaka, tahaka ny hoe tsy misy ilana azy intsony ny fitsarana sy ny mpitandro filaminana. Tsy atokisan’ny olona ireo rafitra misy ireo noho ny fisian’ny kolikoly ao. Manampy trotraka ireo ny resaka fombafomba, tahaka ny hoe na dia nisy famonoan’olona voaporofo mazava izao aza, dia toy ny tsy misy, tsy asiana fanadihadiana lalina sy raharaham-pitsarana fa efa nifandamina ny mpamono sy ny fianakavian’ny maty, dia atao ny fombafomba amin’ny famonoana omby, fiarahana misotro toaka gasy arahana vola matevintevina dia ambara fa miravona ny disadisa. Zava-dehibe ny fifamelana sy fifandaminana. Ny mampatahotra amin’ny zavatra tahaka izao anefa, raha tsy voafehy, dia ny fisian’ny tsy maty manota, izany hoe mety misy olona alaim-panahy handika lalàna sy hanao hasomparana avy eo mody mifona, miala tsiny manao fomban-drazana dia afaka madiodio hatrany.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT