Edito

Fomba fisainana vaovao


  • Alarobia 04 Janoary 2012

Ny taona ity no miova fa raha ny raharaham-pirenena dia mbola ny teo aloha ihany no miverina.

 amin'ny faha-4 taona ity ny fitondrana tetezamita. Tsy nisy afa tsy fifidianana tokana, tao anatin'ny gaboraraka sy ny fandikan-dalàna no vita. Malaza tsy hihinanana toa lovian-tsahona ny kabary feno toky sy fampanantenan'ny filohan'ny tetezamita. Miha sarotra ny fiainana, azo itarafana izany ny toetry ny olona toa lasa romodromotra sy mora tezitra izany, ka na zavatra faran'izay bitika aza dia mampifamaly sy mampiady. Tsy misy zava-baovao eto, fa dia mbola misy miezaka ny hampanjaka 100% ny heviny ihany hatramin'izao. Natao karazana fombafomba fotsiny ny nandrafetana sy nanasoniavana ilay tondrozotra, fa raha ny marina dia tsy te hizara fahefana izany mihitsy ny ankolafy Rajoelina, ary manao izay fomba rehetra haminganana ireo ankolafy hafa. Tsy mbola resy lahatra amin'ny fidirana ao anatin'ny rafitra ny ankolafy Zafy Albert, na dia efa manana minisitra anaty governemanta aza. Nambara fa mpamadika palitao izy ireo.

Ny ankolafy Ratsiraka moa dia tahaka ny tsy manana eritreritra ny hanasonia ilay tondrozotra mihitsy, satria amin'izy ireo dia tsy matotra sady tsy araka ny nifanarahana izy iny. Ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana kosa dia hita fa tena tapa-kevitra ny hiroso amin'izay fa tsy hitazan-davitra avy any Afrika Atsimo fotsiny. Tsy mbola misy aloha ny daty mazava voafaritra amin'ny fiverenany eto Madagasikara, saingy raha ny nambaran'Atoa Mamy Rakotoarivelo dia mety ho amin'ny tapaky ny volana janoary ity no ho avy i Dada. Mino sy matoky izany ireo mpanohana azy manerana ny Nosy ary efa nanao velirano fa aorian'i Dada ary hiaro sy hanohana azy hatramin'ny farany izy ireo, ilay NOTAM rahateo efa tsy misy intsony ka mety fandaminana vitsivitsy angamba sisa no andrasana. Zava-dehibe loatra ny fiverenan'i Marc Ravalomanana an-tanindrazana satria midika avy hatrany fa miroso amin'ny dingana manaraka ny famahana ny krizy ary efa manomboka ny tena fampihavanana.

Tsy misy soa ho azo amin'ny korontana sy ny savorovoro eto. Tsikaritra fa efa maro amin'ireo mpitondra fanjakana no resy lahatra amin'izany. Ny filohan'ny tetezamita aza dia efa nilaza fa tsy matahotra sy tsy manana olana amin'ny fiverenan'ilay naongany. Ny ao amin'ny fitsarana moa dia io mbola sady miala sasatra no mitokona io, ary tsy tena nasiaka be tahaka ny teo aloha intsony ilay hoe didy fampisamborana sy fitsarana ary fanagadrana an'i Marc Ravalomanana. Ireo mpanao politika be vava hatramin'izay toa nangina fa tsy be resaka firy intsony. Ny tetezamita moa dia tsy mety tafavoaka fa mitombo olana isan'andro. Koa inoana sy antenaina fa mba hiova fomba famindra amin'izay ireo izay diso lalana. Averina etoana hatrany fa tsy hisy zava-banona sy handeha araka ny tokony ho izy eto amin'ity firenena ity raha mbola manjaka ny kolontsain'ny fifankahalana sy ny fifamaliana faty. Mila fifanomezan-tanana ny fanarenana an'i Madagasikara ary tsy tokony hisy ireo atao ankilabao. Tsy tafavoaka i Andry Rajoelina sy ny ekipany ka mila misaina tsara amin'izay fa tsy hanao be loha amin'ny zavatra hita fa efa tsy mety. Vaovao ny taona, fomba fijery sy fomba fisainana vaovao no tokony hatao fa tsy hidrikina amin'ny zavatra tsy hampandroso.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT