Edito

Fomba fisainana vaovao !


  • Alakamisy 22 Aogositra 2019

Tsy maintsy hafainganina sy hatsaraina ary atao mivaingana ao anatin’ny fotoana fohy ireo tetika sy lamina rehetra napetraka hatrany am-boalohany mba hipaka any amin’ny fiaianam-bahoaka,

 hoy ny Filoham-pirenena tao anatin’ny tatitry ny filankevitry ny minisitra omaly. Atsahatra ireo fahazaran-dratsy sy ny kolontsaina tsy nahazoam-bokatra,… Fanamby lehibe no napetraka, mitaky fomba fiasa vaovao, fomba fitantanana vaovao, fanovana fomba fitantanana, hoy hatrany io fampitam-baovao io. Zava-dehibe ny fananana finiavana tahaka izany, ary irariana mba hivadika ho asa tokoa fa tsy an-tsoratra ihany. Sanatrian’ny vava ny haniry ratsy ho an’ny firenena, fa tena ho vitan’ny mpitondra ankehitriny ve ny hiala amin’ilay hoe: “ny tanana efa zatra mitsotra tsy afaka hivokona intsony”? Efa nitondra ny firenena ihany mantsy ny filoha ankehitriny sy ny ankamaroan’ny ekipany tany amin’ny 10 taona lasa. Tsaroana tsara ny tetezamita fa ny trafikana harem-pirenena, ny afera maizina, ny kolikoly,… no nanamarika azy. Na inona na inona fanadiovan-tena, dia tsy afa-mamafa ny zava-nisy fa nitarika nihemotra an’i Madagasikara, ary nampikoroso fahana ny fiainan-dRamalagasy ka mila ialana ilay fomba fisaina tamin’izany raha te hametraka fomba fiasa vaovao tokoa. Ny olona anefa tsy niova ! Mety manova zavatra ihany angamba ny fotoana, araka ilay tenin’ny filohantsika fa efa matotra, hono, izy izao. Tsy tokony hogejain’ny lasa, fa kosa ahafahana misaintsaina sy manitsy lalan-kizorana amin’ny ho avy ireny na ho an’ny mpitondra na ho an’ny entina. Ny tantara anefa tsy fanadino.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT