Taonan’ny fanantenana ity 2011 ity ho an’ny rehetra, indrindra fa taorian’ny roa taona niainana isan’andro ny krizy, nateraky ny fifanolanana politika teto amin’ny firenena. Maro ny zavatra simba sy potika nandritra izany fotoana izany ; tsy fananana sy trano ihany fa hatramin’ny fomba fisainana mihitsy. Tsy ho mora ny hanarina izany rehetra izany, kanefa tsy tokony hahakivy ny sakana isan-karazany, fa efa izany mihitsy ny fiainana an-tany. Fomba fiteny nahatsiarovana an’ilay iraika lahy teo aloha moa ny hoe : «rehefa misy ny olana, dia tsy maintsy misy ny vahaolana».
Dia tsapa tokoa fa marina sy mitombina izany, satria na dia ireo mpanao politika noheverin’ny maro fa tsy hifandray tanana sy tsy hifampijery akory aza, dia efa nifampiresaka an-databatra ary niara-nisakafo mihitsy. Satria samy nahatsapa tena sy resy lahatra izy ireo fa tsy misy zava-banona eto raha tsy mifanara-tsaina ny samy mpanao politika amin’ny fametrahana rafitra eken’ny rehetra. Tsy midika anefa izany hoe : tsy hisy intsony ny tsy fitovian-kevitra, fa zavatra tsy maintsy mitranga izany amin’ny fanaovana politika, ilaina ny fifanoheran-kevitra fa tsy hevitr’ankolafy tokana no hitantanana ny firenena. Tsy ho mora anefa ny hampivainganana izany fifanantonana sy fifampiresahana izany, tandra vadin-koditra amin’ny mpanao politika mantsy ny ady seza, na aiza io na aiza, koa inoana fa ho henjakenjana ny momba io raharaha io, raha toa ka tena ovaina endrika marina, ny CT sy ny CST ary ny governemanta.
Dia mbola mampanontany tena ihany koa ny hoe : hanao ahoana izany ny endri-pizarana ny toerana, araka ny satan’i Maputo ve, sa araka ny fifanarahana politika teny Ivato, sa araka ny tolo-kevitra vaovao, hafa mihitsy avy any amin’ireo vondrona politika tahaka ny ESCOPOL na ny UDR ? Tsy dia mifanalavitra anefa ireo fa mitovy tanjona ihany dia ny hisian’ny tena fiaraha-mitantana, hampitoviana ny anjara toeran’ny ankolafy politika ao anatin’ny governemanta, ary samy mahazo iray amin’ireo ministeran’ny fiandrianam-pirenena dimy ny ankolafy rehetra. Raha tena fiaraha-mitanana no kendrena hatao dia tsy tokony hisy ankolafy manana ny maro an’isa izany ao anatin’ny rafitra rehetra, fa dia mitovy ny isan’ny toerana azo, fa any amin’ny fifandresen-dahatra no manezaka mafy ireo izay te hampandany ny tolo-keviny. Mbola ao anatin’ny vanim-potoana tetezamita isika amin’izao fotoana, ka tsy dia mendrika loatra raha toa ka variana amin’ny ady seza sy ny fiarovana ny tombotsoany manokana sy ny an’ny antokony ireo mpanao politika, ny tombotsoa iombonana no tokony hibaiko ny rehetra. Farafahakeliny dia fifidianana roa no tsy maintsy vita amin’ity taona ity raha tsy te hitarazoka ela loatra amin’ny fanovana rafitra hiampitana tanteraka any amin’ny Repoblika faha-IV isika.
Tsy azo vitaina maimaika araka ny fanirian’ny sasany anefa izy io fa tena mila fanomanana tsara, ka dingana tsy maintsy handalovana mialoha izany ny fanatanterahana ny famotsoran-keloka sy ny fampihavanam-pirenena. Raha ny fahitana ny fanehoan-kevitra tetsy sy teroa tato anatin’ny iray volana teo izay dia ho sarotra ny mety ho tohin’ny raharaha eto raha tsy tanteraka ireo, saingy maro be ny fanazavana ny sain’ny olona tokony mbola atao mialohan’izany mba tsy hisian’ny ahiahy tsy hihavanana, tsy sanatria famafana tsotra izao ny heloka nataon’ny hafa no tanterahana, fa fametrahana fifanarahana politika iombonana mba hampisinda ny fifandirana sy ny fifandrafiana.
Rehefa tafatsangana ireo rafitra rehetra ao anatin’ny repoblika vaovao, izay misy ny fitsarana afaka mitsara ireo mpitondra ambony, na iza izy na iza, dia afaka toriana sy tsaraina ao avokoa na filoham-pirenena, na lehibena andrim-panjakana hafa, na ministra, na depiote, na Ben’ny tanàna, na amperin’asa izy na tsia. Fa raha amin’izao fotoanan’ny krizy izao no mikiry miditra amin’io resaka fitsarana sy fanagadrana io ny fitondrana tetezamita dia tsy hisy fitoniana mihitsy eto na ara-politika io na ara-tsosialy. Koa antenaina fa mba vaovao tahaka ny taona ihany koa ny fomba fijery sy ny fomba fiasan’ny tsirairay fa tsy hitsambiki-mikipy tahaka ny nisy nandritra izay roa taonan’ny krizy izay.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.