Edito

Fomba fijery natao ho fohazina


  • Alarobia 23 Aogositra 2023

Ohatrany hoe fomba fijery vaovao amin’izao fotoana izao ny firesahana izany firaisankina na fihavanana na fifamelomana sy fifanampiana izany anaty fiarahamonina malagasy.

Tsy vitsy koa anefa ireo very fanantenana ny amin’ny tsy hiverenan’izany intsony fa dia mandray azy toy ireny hoe resaka fehy resaka ireny. Misy moa ireo tena manakihana izay mba manam-piniavana manao antso ny amin’ny mba hamelomana na hamohazana izany indray. Mbola tsy misy resaka fanohanana na fampielezan-kevitra aloha izao kanefa dia efa misy sahy milaza sahady fa hanaparitaka vato ny sasany amin’ireo efa mitonona ho kandida filoham-pirenena mivoy izany foto-kevitra na fomba fijery natao ho fohazina fa tsy tokony heverina hoe vaovao izany akory. Misy sahy miteny azy ireny hoe mersenera politika. Inona moa izany no tena fahavoazana na fatiantoka raha raisina am-po dia ampiharina, ohatra, ny filazana hoe “Mila miara-miasa sy mifanampy fa tsy mifaninana ny malagasy.” na koa hoe “Raha te hiala amin’ny fahantrana dia mila miala amin’ny hakamoana.”? Ohatran’izany koa ny hoe “Ny fahombiazana dia vokatry ny ezaka atao fa tsy tanjona.” sy ny hoe “Io lalana mahintsy alehanao io, tandremo, misy fiolahana ao aloha ao!”. Ny mijery ilay olona na manaratsy ilay olona miteny sy manome izany hafatra sy toromarika izany ve no zava-dehibe sa ny mandray sy mampihatra na manandrana mampihatra ilay hafatra sy toromarika voalaza sao mba vokatry ny fitiavan-tanindrazana ihany? Heverina fa fahendrena efa nananan’ny malagasy napetrak’ireo razantsika zary adinodino ihany izany rehetra izany saingy fomba fijery natao ho fohazina hatrany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT