Edito

Fomba amam-panao


  • Alatsinainy 14 Martsa 2022

Ny fomba amam-panao efa hita hatramin’izay ny maha ratsy azy na tsy nilana fikarohana lalina aza ankehitriny no mihatra eto amin’ity nosintsika ity raha politika no resahana.

 Ny mpamadika mpamadika hatrany, hoy ny namana mpamakafaka hafa izay, raha niverina nahita ny fihetsiky ny mpanao politika iray nilaza ny hisitaka amin’ny fitondrana nidirany indray rehefa hitany ny toe-draharaha ankehitriny fa efa miha mahamay. Tsy vao izao ity mpitarika antoko politika izay efa matetika voatendry ho minisitra na tomponandraiki-panjakana rehesahany eto ity no naneho izany fihetsikana mpamadika izany fa efa hatramin’ny fitondrana Ravalomanana, hoy ny filazan’ity mpamakafaka ity. Ohatra iray ihany anefa izy fa firifiry moa ny mpanao politika Malagasy tsy mpivadibadika palitao sy mpiady seza eto ary rehefa tsy mahazo dia miezaka maneho ny tsy fahafaliany an-kolaka nefa vakiana fotsiny ihany, hoy ny fitenin’ny tanora izay. Izany no mba fomba amam-panao politika hanabeazana ny mpanao politika sy ny mpiray tanindrazana eto hatramin’izao. Ao anatin’izany rehetra izany anefa dia tsy iza tsy akory no mizaka ny fahantrana lalina vokarin’ilay politikan’ny seza miharihary toy io fa ilay vahoaka Malagasy efa niharitra hatrany amin’ny fanjanahantany sy tao anatin’ny 60 taona mahery naha repoblika azy ihany. Governemanta firy izay no nandalo kanefa dia tsy mba fampandrosoana no taratra tao anatiny fa fifaminganana sy fifanalam-baraka ary fifanitsohana. Tsy mahagaga ny depiote avy aty amin’ny fanoherana raha tsy misalasala milaza fa tsy hisy ho antenaina ho an’ny ekonomiam-pirenena amin’izao fotoana izao intsony na hiova faha 100 faha 1000 eo aza io satria ilay fomba amam-panao politika misy eto mihitsy no tsy mampianatra akory ireo mpanao politika sy mpitondra ny famaritana ny atao hoe politika tena maha politika azy dia ny hoe fitantanana sy fikatsahana ny mahasoa ny fiarahamonina sy ny firenena.
J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT