Edito

Folaka ihany ny anao


  • Alarobia 06 Jona 2012

Manomboka manamboatra ny sain'ireo mpanara-dia azy mikasika ny fihaonany amin'ny filoha teo aloha, i Andry Rajoelina.

 Araka ny fomba fanao dia efa nampitenenina ny TGV, izay tsy manda io fihaonana io fa mitaky kosa hoe : mijanona ho filoha i Andry Rajoelina ary ny tondrozotra ihany no ampiharina eto mba hivoahana amin'ny krizy. Tsy niteny intsony ireo lohandohan'ny mpisorona ao amin'ny TGV hoe mila samborina sy tsaraina Atoa Marc Ravalomanana, tsy nilaza intsony koa izy ireo hoe : tsy fotoan'ny fifampidinihana intsony izao fa fananganana ny rafitra sy fiomanana amin'ny fifidianana. Azo heverina fa dia efa nahazo baiko ny TGV mba tsy hanembantsembana na hanelingelina ilay fihaonan'ny roa tonta. Nangina tanteraka ihany koa ireo mpanao politika fatra-piaro ny FAT, ary misy amin'izy ireo mihitsy moa no tezitra sy sosotra amin'izao fotoana. Noeritreretina mantsy fa ho very any Afrika Atsimo any ilay iraikalahy teo aloha.

Nantenaina fa hahatafavoaka ny baolina ihany koa ilay zandry kely, kinanjo dia miverina zero ny resaka. Tapitra hatreo ny nofinofy hanjaka tokana. Diso fanantenana ireo nieritreritra fa efa tantara sisa izany Marc Ravalomanana izany. Efa mba nikaroka ny fomba rehetra hamahana ny krizy ihany ny FAT saingy tsy tafavoaka, satria niorina tamin'ny fankahalana olona niampy fitiavan-tena ny asa izay natao. Ekena fa manana ny maha izy azy ny filoha teo aloha. Tao anatin'izay telo taona izay, anefa dia tena niady irery izy sy ireo mpiara-dia aminy, raha toa ka mpitondra ambony sy mpanao politika an-jatony no nifanandrina taminy. Mazava ny resaka izao fa tsy ampy traikefa ara-politika marina i Andry Rajoelina sy ny ekipany, ka tsy nahavaha ny krizy. Tsy tena fantatra mazava moa izay tena tanjon'izy ireo raha naka fitondrana. Ny azo antoka aloha dia tsy nisy fiovana ho amin'ny tsara kokoa izany teto hatramin’ny naha Ben’ny tanàna azy ka hatramin’izao. Efa nihoatra lavitra be koa ilay fe-potoana 24 volana tokony ho niasan'ny tetezamita e ! Nandiso fanantenana ny olona Rajoelina sy ny ekipany, ka mba anjaran'izy ireo indray izao no mba diso fanantenana. Tsy isan'andro ny fetin'ny ankizy, ary tsy azo ampiesonina mandrakizay ny olona, rehefa tsy mahavita dia tokony hahatsapa tena. Tonga amin’ilay hiran’ny mpanakanto hoe : « folaka ihany ny anao e ! » ny tantara.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT