Edito

Fo tsy sportifa


  • Alatsinainy 23 Febroary 2015

Misavorovoro indray ny tontolon’ny fanatanjahantena eto Madagasikara taorian’ny fifidianana hafahafa momba ny komity Olimpika natao tany Toliara. Tsy hitsara olona sanatria fa milaza fotsiny ny zava-misy. Tsy atao mahagaga raha tsy mety lasa lavitra ny atleta, mpanao fanatanjahantena eto amintsika satria


ireo mpitarika mihitsy anie no manondrana e ! Efa tamin’ny efa-taona lasa no nisy olana ny amin’ity komity olimpika ity raha natao ny fifidianana, izao dia mbola misy olana ihany ilay fifidianana. Tena tsy afaka nifandamina mihitsy ve izany ilay filoha sy filoha lefitra nandritra ny 4 taona ? Efa iaraha-mahalala anie fa volabe no ao amin’ny KOM e ! Na izany aza dia tsy mba misy mihitsy ve ny fandinihana ny amin’izay hahatsara ilay fanatanjahantena malagasy ? Mazava ny resaka izao fa mizara ankolafy roa ireo federasiona eto amintsika, satria misy ny nifidy an-dRakoto, ary tao kosa ireo nifidy an-dRabe. Dia ahoana izany izao no atao ? Malaza ratsy any amin’ny komity olimpika iraisam-pirenena indray izany fa mikorontana ny ao Madagasikara. Ny ahiahy tsy hihavanana, koa rariny sy hitsiny angamba raha misy fanadihadiana atao momba ny zava-nisy marina tao amin’ny Komity Olimpika Malagasy, dia mba hampiharina ao amin-dry zareo ihany koa ilay 4F an’ny FFKM, dia mihavana e ! Fa raha hifanaratsy an-gazety sy hifanabe tarehy isaky ny mifankahita dia ho potika tanteraka ny fanatanjahantena eto amin’ity firenena ity e ! Fo tsy sportifa aloha no mitranga eto hatramin’izao.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT