Tsy mba olana toy ny fisian’ny « chômage technique” tahaka ny any amin’ny orinasa afaka haba no miseho eny amin’ny orinasa tantanan’ny Sinoa izay efa misandrahaka amin’ny lafiny maro fa tsy mihamina amin’ny varotra enta-madinika intsony ankehitriny, ka azo ambara fa azo antoka ihany.......
Misy kosa anefa ny antsojay sy fanararaotana ataon’izy ireo amin’ny mpiasa. Nitady vahaolana amin’izany izahay mpiasan’ny Sinoa eto Behoririka, hoy Atoa Ramoravelo Jaona Marcellin, ka nanangana ny fikambanana FMSM (Fikambanan’ny Mpiasan’ny Sinoa eto Madagasikara) izay ny tenako no mitarika azy. Mampiavaka ny fikambanana ny fiarovana ny rehetra na mpiasa na mpampiasa ary efa manomboka misy ny marimaritra iraisana amin’izao fotoana izao, hoy ity filohany ity. Nahatsapa ny tombontsoa tamin’izany ny rehetra ary mankasitraka ny fisiany ny mpampiasa ka manomboka manohana anay ankehitriny. Mpiasa 3.892 avy amina toeram-piasana 42 eto Antananarivo no efa mpikambana ao amin’ny FMSM izay kendrena havadika ho sendika any aoriana, araka ny vinavinan’ny mpitarika. Mivory isaky ny alarobia ny mpikambana ary efa nahatontosa hetsika ara-panatanjahantena iraisana, ho fampivondronana
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.