Andrasana amin’ity anio ity izay mety ho fanambarana ataon’ireo firenena valo matanjaka ara-toekarena indrindra mivondrona ao anatin’ny G8, izay mivory any Deauville Frantsa.
Anisan’ireo lohahevi-dehibe nodinihana sy niadian-kevitra nandritra ny roa andro ny momba ny tontolon’ny toekarena maneran-tany, ireo fihetseham-bahoaka tany amin’ny firenena Arabo, ny mety ho fanampiana an’i Japon noho ny tsunami sy horohorontany nitranga tany ary ny momba ny internet izay efa tena tafiditra ao anatin’ny andavanandron’ny fiainan’ny zanak’olombelona ary hihodinkodinana vola an-jatony miliara dolara isan-taona. Tsara homarihana fa ny filoha Frantsay Nicolas Sarkozy no mitantana ny vondrona G8 amin’izao fotoana. Tsy dia mahagaga raha voaasa manokana hanatrika ity fivoriana ity ireo firenena Afrikanina naman’i Frantsa tahaka an’i Côte d’Ivoire, Guinée ary Niger. Samy nitrangana fanonganam-panjakana nahavoatonontonona ny Frantsay ireo firenena telo ireo ary taorian’ny ady an-trano sy ny ambara fa fampihavanam-pirenena sy fifidianana madio sy mangarahara dia nahazo filoha vaovao ireo firenena Afrikanina telo ireo ary efa miverina miditra tsikelikely any amin’ireo fikambanana sy rafitra iraisam-pirenena. Niasa mafy tany ambadibadika tany ny diplaomasia frantsay mba hahafahany mametraka ny olony aty Afrika, indrindra fa amin’ireo tany hita fa manana harena ankibon’ny tany na vokatra hita fa hampidi-bola be.
Niezaka mafy ny handresy lahatra ireo firenena manankarena i Frantsa mba hanohana sy hanampy ireto firenena Afrikanina ireto. Tafiditra ao anatin’ity resaka ity koa moa i Tonizia sy Ejipta izay nipoiran’ny hetsi-panovana tany amin’ireo firenena Arabo ary ampirisihan’ny tandrefana mafy amin’izao fotoana mba hiroso lalindalina kokoa amin’ny fampiharana ny demokrasia. Fantatra fa voaresaka nandritra ity fivorian’ny matanjaka any Deauville ity ihany koa ireo raharaha mbola mafampana aty Afrika tahaka ny ao Soudan, Somalie ary Zimbabwe. Raha ny fandaharam-potoana kosa dia tsy tafiditra ao anatin’ny lisitr’ireo mba hodinihana ny mikasika ny krizy eto Madagasikara na dia fantatry ny Frantsay mitarika ny G8 tsara aza ny zava-misy eto. Fa inona ary ny mety ho dikan’izany ? Maivana ve raha ampitahana amin’ireo krizy misy aty Afrika ny eto Madagasikara. Sa efa milamina ny resaka ka tsy mila dinihana intsony ary efa ho avy ny vola be hanampiana ny tetezamita ? Maro ireo mpandinika no milaza fa lalana hafa mihitsy no tokony hamahana ny krizy eto amintsika fa tsy azo atao iray lasitra amin’ny atsy Afrika izay tena lian-dra tokoa ary manana traikefa amin’ny ady an-trano sy ny fifamonoana isaky ny Fokontany. Tsy tafiditra ao anaty lisitra amin’ny fihaonana any Deauville isika. Mety hisy ihany anefa ny resaka ambadika hifanarahan’ireo firenena matanjaka ireo amin’ny raharaha Malagasy ka any amin’ny fihaonana any Gaborone no mety hamoahana sy hampahafantarana izany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.