Fiverenana tsy misy tonony!

Rehefa mijery ilay olana


  • Alatsinainy 21 Oktobra 2024

miverimberina eto amin'ny firenena sy ny fanazavana entin'ireo tomponandraikitra

mikasika izany isika dia toy ny mihaino ireny hira be fiverenana na "refrain" nefa zara raha misy tonony andalana 3 na 4 ireny amin'izao fotoana izao. Fiverenana tsy misy tonony moa no filazan'ireo zokibe azy. Maina ny tany. Tsy tonga ny rano sy ny herinaratra. Ritra indray izay na hoe tsy mahatosika i Andekaleka no fanazavana miainga eo. Miditra indray ny fahavaratra. Tapatapaka ny herinaratra. Heno indray ny hoe olana ara-tekinika, tsy mahatosika ny tambazotra famatsiana herinaratra. Tao anatin'izay 15 taona mahery izay izany, raha ny olan'ny JIRAMA fotsiny no resahina, dia tsy niova firy mihitsy ny fitrangan'ny olana ary ny vahaolana nefa tsy hita mazava, ankoatran'ny hoe andrasana izany ankehitriny ny fahafahan'ity tale jeneraly israelianina ity hanao DAM. Olana efa mpiverimberina tao anatin'ny 15 taona mahery fa mbola tsy nahitan'ilay fitondram-panjakana vahaolana maharitra ihany hatramin'izao. Iarahan'ny rehetra mahalala ary na ny filoham-pirenena aza miaiky fa tsy vahaolana maharitra fa vahaolana vonjimaika, mba tsy hilazana ilay voambolan'ny mpandinika sasany hoe vonjy tavanandro ihany, izany fanapariahana sinibe na "bombonne" izany. Ohatran'ny vahaolana entin'izao fitondrana izao amin'ny olana ara-tsosialy hafa tahaka ny resaka vatsy tsinjo, tosika fameno, vary mora sy ny tariny ihany. Tsy vahaolana amin'ny tsy fisondrotan-karaman'ny mpiasa tao anatin'ny 5 taona izany nefa ny vidim-piainana etsy ankilany miha midangana hatrany. Tsy hahavaha ny olana amin'ny vidin-tsolika sy fifandraisan-davitra izany na ny fahasahiranan'ny tantsaha amin'ny vidin-jezika. Ny fanarenana ny lafiny toekarena moa dia mampametra-panontaniana hatramin'izao hoe aiza ny drafitra mazava mikasika azy? Tena misy ve sa sanatrian'izany hisy orinasam-panjakana na "société d'Etat" hafa ho faty indray atsy ho atsy? Mbola misy ary tafainga ihany ve ireny drafitra notanisaina fahiny be dia be toy IEM, PEM, PGE, "Plan Marshall", Velirano sy ny tariny ireny sa hiampy hafa hijanona ho teoria fotsiny indray? Efa hita aloha io izany ny fiverenan-kira fa dia miandry ny tonony sisa.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT