Edito

Fivahavahana tsy nisy nahavita


  • Alatsinainy 01 Martsa 2021

Tsy misy izay tsy mivahavaha ankehitriny ny fiarahamonina misy eto Madagasikara.

 

 Manomboka any amin’ny avo indrindra any no ahenoana izany ka hatraty amin’ny bitika indrindra. Mivahavaha ny any amin’ireo toeram-pivavahana. Hatrany avy no misy ady toerana sy fahefana. Mivahavaha ny any an-tsekoly. Tsy mety hiasa ny mpiasa ary tsy mety hampianatra koa izany izao ny sasany amin’ireo mpampianatra fa mikomy. Mivahavaha daholo ihany koa aloha raha ny hita hatreto ny fitantanana ankapobeny ny raharaham-pirenena mihitsy. Variana manakana ny mpanohitra tsy haneho hevitra ireo tompon’andraikitra sy mpanapa-kevitra ary io iaraha-mahita ho miha mifanontsana anaty io no iafarany. Tsy vao izao no nahitana ny tsy fitovian-kevitra na fijery izay miafara amin’ny fifanipahan’ny zava-dazain’ny teo anivon’ny minisiteran’ny serasera sy ny seraseran’ny fiadidiana ny repoblika mihitsy, ohatra. Fa maninona no tsy mety miainga ny IEM, hoy ny fanontaniana nipetraka efa ela? Iarahan’ny rehetra malala fa mifototra amin’ny resaka fotodrafitrasa ity tetikasan’ny filoham-pirenena nambabony ny fon’ireo mpanaradia azy tamin’ny fampielezan-kevitra ity, mba tsy hilazana hoe mifototra amin’ny asa vaventy. Iza moa izany no minisitra tokony ho tomponandraikitra voalohany amin’ny fanatanterahana ireny Tanamasoandro sy Miami ireny? Inona no efa bainga voavadiny hatreto ? Fa maninona izy no mbola eo amin’ny toerany mandrak’anio ? Io koa ny olan’ny oniversite. Aiza ny minisitra tomponandraikitra? Aiza ny praiminisitra ao anatin’izao fivahavahana tsy nisy nahavita tao anatin’ny 60 taona izao ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT