Matoam-baovao amin'ity alatsinainy ity ny raharaham-pitsarana mahakasika ny raharaha BANI 2010, ka mahakasika manamboninahitra maromaro sy ny Pr Raymond Ranjeva sy ny zanany vavy.
Tamin'ny herinandro dify iny dia maro ny fanehoan-kevitra sy fampitam-baovao manoloana ity raharaham-pitsarana tena mahoraka ity. Efa nampilaza mialoha ireo manamboninahitra any am-ponja niara-dia fahiny tamin'i Andry Rajoelina, fa hanao ampamoaka goavana momba ny fanonganam-panjakana tamin'ny 2009 izy ireo, amin'ity herinandro ity ary mety eny Anosy mandritra ny fitsarana azy ireo anio, no hitrangan'izany. Maro be ny zava-miafina manodidina ny tranga tamin'ny 2009 iny, ary manomboka mivoaka tsikelikely ny tena marina, avy amin'ny vavan'ireo miaramila nanampy an'i Andry Rajoelina tamin'ny fanonganam-panjakana nataony.
Hanao ahoana indray no mety ho akon'izany amin'ny fiainam-pirenena ? Hanova zavatra ve sa hitsefotra fotsiny ? Raha tena misy ny porofo fa fanonganam-panjakana no nisy teto, ary misy ny sahy mijoro ho vavolombelona amin'izany dia ahoana ny ho tohiny ? Hotsaraina ve ireo rehetra nanao izany ? Horavana ve ny tondrozotra ? Hiverina malalaka eto amin'izay ve Atoa Marc Ravalomanana ? Mahakasika ny profesora Raymond Ranjeva sy ny zanany vavy kosa, dia hita fa sarotsarotra ihany ny toerana misy ny fitsarana sy ny FAT, satria sady manjavozavo tsy hananana porofo mivaingana tsara ny fiampangana azy ireo, no mbola olona goavana sy matanjaka eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena no henjehina. Maro ny maminavina fa na hahemotra ny fitsarana, na elaela vao mety avoaka ny didy, na hofoanana tsotra izao ny fiampangana an'ny Pr Raymond Ranjeva. Mety hitovitovy amin'izay ihany koa no hitranga amin'ireo manamboninahitra voakasiky ny raharaha BANI sy FIGN. Mifanohitra tanteraka amin'ny voalazan'ny tondrozotra, efa neken'ny fitondrana tetezamita mantsy ity raharaham-pitsarana ity, ary tena mandika mihitsy ilay andininy faha-16. Na ahoana resaka atao, na inona fomba filaza azy dia vahaolana politika ihany no hamaha tanteraka ity krizy ity.
Raha ny fitsarana foana no hanapenam-bava sy hampitahorana ny hafa, dia tsy hisy eto mihitsy ny fitoniana fa dia sanatria ifandimbiasana ny fanaovana valifaty. Tsy misy maharitra mandrakizay eo amin'ny fitondrana izany mantsy, ary misy farany ny zava-drehetra. Ho hita eo ihany koa ny fandraisan'andraikitry ny fitsarana, manoloana any raharaham-pirenena. Fa raha i Marius Fransman, lehiben’ny iraky ny Troika-SADC dia nilaza nialoha ny nandaozany an’i Madagasikara tamin’ny diany farany teo, fa dia mitaky ny hamelana malalaka ireo sesitany politika hody an-tanindrazana, anisan’izany Atoa Marc Ravalomanana, ny hamoahana am-ponja ireo gadra politika rehetra ny tenany, ary koa hampitsaharana ny fanenjehana sy fisamborana noho ny antony politika. Etsy ankilan’izay dia miantso ny hampitsarana ny fifampihantsiana amin’ny andaniny eo amin’ny FAT sy ny ankilany dia ny ankolafy telo mpanohitra koa ny tenany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.