Rehefa avy notanana am-ponja vonjimaika nandritra ny 15 andro noho ny fanadihadiana tsy maintsy natao taminy dia nomen’ny fitsarana fahafahana vonjimaika i Mamy Rakotoarivelo sekretera jeneralin’ny TIM sady mpitarika ny ankolafy Ravalomanana. Fiaikena heloka nataona olona roa moa izay nanamafy sy nanambara fa izy no naniraka azy ireo hikarakara ny fitaovana rehetra tamin’ilay fanapoahan-javatra teny amin’ny Marais Masay ny alakamisy 02 martsa, ka nifofoana ny ain’ny filohan’ny tetezamita, no nisamboran’ny DST avy hatrany an’i Mamy Rakotoarivelo. Nambara fa niaiky heloka izy mirahalahy nandray anjara mivantana tamin’ny fanamboarana ilay baomba, na dia nandà mafy ny amin’ny maha meloka azy ireo aza ny fianakaviany fa tsy nihaino izany ny fitsarana fa nanohy hatrany ny fanadihadiana ary dia nampiditra teny Antanimora ireto niaiky ny heloka nataony ireto. Niteraka adihevitra be ity raharaha ity satria maro loatra ny zavatra manjavozavo taminy sady nifanandrify tamin’ny fanendrena ny praiministry ny marimaritra iraisana koa moa ilay izy, koa maro no nieritreritra fa nisy nidiran’ny resaka politika ny raharaha Marais Masay sy Mamy Rakotoarivelo.
Efa nahatalanjona ny rehetra aloha ilay hoe fanadihadiana roa samihafa no natao, dia ny nataon’ny zandary sy ny DST izany, ary araka ny fantatra dia samy hafa ny zavatra hitan’ireo fanadihadiana ireo, saingy nanamafy moa ny manampahefana fa afaka nifameno tsara ny vaovao azo fa tsy nifanipaka izany. Manaraka izay dia nahagaga ihany ilay fisamborana faran’izay haingana ireo nambara fa nandray anjara tamin’ilay teti-dratsy sy ny tonga dia naneken’izy ireo avy hatrany ny zavatra nataony. Naverimberina tamin’ny haino aman-jery io fieken-keloka io, mba hilazan’ny mpanadihady angamba, fa tena azo antoka ny fahamarinan’ny fanambarana sy ny fiaikena heloka. Ny nahagaga indray anefa dia hoe nomena fahafahana vonjimaika i Mamy Rakotoarivelo izay nambara fa atidoha nikotrika sy fikasana hamono ny filohan’ny tetezamita.
Ka mipetraka eto ny fanontaninana hoe : f’angaha tsy efa azo antoka indray fa marina sy mitombina ny fiaikena heloka nataon’ireo voarohirohy mirahalahy, sa nisy zava-baovao, ka hambara indray afaka andro vitsivitsy rehefa atao ny fitsarana fa nafahana noho ny fisalasalana na noho ny tsy fahampian’ny porofo i Mamy Rakotoarivelo ? Fanamarihana fahatelo manitikitika ny sain’ny maro dia ny hoe samy nanao «aveu» izy mirahalahy voarohirohy tamin’ny raharaha Marais Masay sy ny lietna kolonely Charles Andrianasoavina niampy ny jeneraly Noel Rakotonandrasana izay samy nanamafy fa fanonganam-panjakana no natao teto tamin’ny 2009, kanefa nahoana no nekena sy noraisina avy hatrany ny an’iretsy roa voalohany, fa nambara kosa fa tsy salama saina ary tsy tompon’ny tenany ny lietna kolonely Charles ka dia tsy azo raisina sy tsy misy lanjany ilay taratasy fiaikena heloka nataony ? Atao ny fanovana governemanta avy eo dia tafajanona tsara amin’ny teorany ny minisitry ny fitsarana izay anisan’ny nahazo fanakianana be indrindra tamin’ireo mpikambana tao amin’ny governemanta ? Hafahafa izany rehetra izany ary tokony hampieritreritra ny tsirairay hoe : mandeha araka ny tokony ho izy ihany ve ny raharaham-pitsarana eto Madagasikara amin’izao fotoana sa tena fitsarana politika marina araka ny ambaran’ny mpanohitra no misy eto, ka izay baiko avy any ambonimbony any ihany no tanterahanan’ny mpanao fanadihadiana sy ny mpitsara ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.