Edito

Fitsapana


  • Alakamisy 16 Jolay 2015

Raikitra amin’izay ary ny fampielezan-kevitra, ity vao tena izy ka azo antoka fa samy hiezaka mafy hampahafantatra azy sy ny fandaharanasany ny kandida tsirairay avy.Manan-danja amin’ny fiainam-pirenena sy ny tontolo politika ny fifidianana kaominaly satria ho hita eo izay antoko politika tena matanjaka

 


.Fitsapana goavana ho an’ny antokon’ny fitondrana izy ity , antoko izay tsy manana solombavambahoaka voafidy tamin’ny anarany na dia iray aza eny amin’ny antenimieram-pirenena.Azo antoka arak’izany fa hanao izay tratry ny heriny HVM hampandany ireo kandidany, hanara-maso akaiky azy ny rehetra sao ny fahefam-panjakana no ampiasaina amin’izany.Fa manana ny maha izy azy koa ny TIM, anisan’ny antoko lehibe indrindra eto Madagasikara sy manana kandida amin’ny distrika rehetra.Efa nandray lesona tamin’ny lasa ny TIM, nanambatra ny heriny ary hampiseho fa mahavita azy sy manana ny fahaizana, traikefa ary ny olona hampandroso ny firenena.Mangingina kosa ny Mapar, mbola ratsy endrika noho ny tetezamita nampahantra ny malagasy, ny mpanorina azy rahateo mialokaloka any ivelany ka asa raha ho sahy hanohana ny kandidany ka hiseho vahoaka na tsia.Misimisy koa ireo kandida ambara fa mahaleotena sy ny avy amina antoko salantsalany na madinika ; samy manantena ho voafidy matoa milatsaka ho fidiana, saingy ny vahoaka ihany no  tompon’ny teny farany, koa dia ho hita eo izay mbola tena atokisany.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT