Edito

Fitotonganana manara-penitra


  • Talata 29 Jona 2021

Nanomboka ny taona 2013 no azo lazaina hoe vanim-potoanan’ny voambolana “fisandratana”. Nokasaina nanomboka teo anefa dia ny hisian’ilay tena antsoina hoe “fisandratana” ara-bakiteny

mihitsy hitranga eto amin’ity firenena ity. Napetraka taty akaikikaikin’ny fiafaran’ny fotoam-piasan’ny fitondrana Rajaonarimampianina taty mihitsy ny hoe “fisandratana mirindra” saingy tsy hita moa izany hatramin’ny fialany ny taona 2018. Mbola nametraka vinam-pisandratana indray avy eo ny fitondrana ankehitriny ary nampanantena mihitsy fa fandraisana an-tanana na hoe “initiative” izany fisandratana izany no ho entiny avy hatrany ao anatin’ny vinany IEM na “Initiative Emergence Madagascar”. Samy mametra-panontaniana anefa ny rehetra ankehitriny hoe tena izay tokoa ve no iainana ankehitriny na fara-fahakeliny efa manomboka? 2 taona sy tapany izay no lasa. Ekena fa efa firenena mahantra isika tao anatin’izay 61 taona izay saingy ankehitriny anefa na dia maha menatra aza ny milaza azy dia efa zava-misy fantatr’izao tontolo izao ny hoe I Madagasikara dia isan’ireo firenena lohalaharana amin’ny fahantrana mihitsy. Tsy mazava ny drafi-pitantanana ny firenena. Na eo anivon’ireo mpanatanteraka ion a eo anivon’ny parlemantera. Ny sasany, hoy ny fanamarihan’ny mpamakafaka raharaham-pirenena iray izay, tamin’ny novambra no nanatrika filankevitry ny minisitra farany. Ny praiminisitra ity toa zary isam-bolana sisa no hatazanana azy? Mitotongana ny toekarena. Mitotongana ny sosialy sy fianam-bahoaka. Fisandratana manara-penitra no nandrasan’ny isan-tokantrano saingy fitotonganana manara-penitra no zary miditra isam-baravarana. Ny ao an-dapa aza moa miha hita ho tsy milamina ka ahoana no ahafahana mahazo antoka fa mbola ao an-tsainy ny hampandroso ity firenena ity? Enga anie mba tsy ho ela ny fifandaminana fa dia miandry ny fahatongavan-tsainan’ny “olon-dehibe” izany aloha !
J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT