Edito

Fitoniana sy firaisankina


  • Alatsinainy 06 Jolay 2020

Ny valanaretina COVID-19 izao no zava-dehibe, maika, tsy azo ihodivirana. Eran-tany ary tsy afa-miala amin` izany i Madagasikara.

 Manimba zavatra be lavitra sy sarotra noho ny aretina ny tsy fitandremana. Mandray fepetra hentitra ny fitondram-panjakana mba hahafahana mametraka ao an-tsain` ny vahoaka Malagasy fa aretin-mandoza io. Izay no ilàna ny fitoniana sy firaisankina. Na dia eo aza ny vesatra ateraky ny areti-mandoza izay mandripaka ain’olona maro maneran-tany, dia nahatsapa ny rehetra fa misy ny firaisan-kina iraisam-pirenena ary mihamafy ny fifankazahoana eo amin’ny samy mponina eo anatrehan’ity ady sarotra iraisana ity. Azo raisina ho tosika ny firaisankina. Ohatra ny hetsika maneran-tany ho fanoherana ny fanavakavaham-bolon-koditra nanoloana ny famonoana tamin’ny fomba feno habibiana ny mainty hoditra George Floyd tany Minneapolis, Etazonia, tamin’ny 25 mey 2020 lasa teo. Nahatsapa ny rehetra fa nampivoitra sy nanampy tosika ny fanehoan-kevitra ary ny fanoherana eran-tany mikasika ireo zava-manjo tsy rariny sy ny tsindry hazo lena nokobonina hatramin’izay iny tranga iny. Betsaka ny lesona azo tsoahina ho antsika Malagasy mba hirosoana amin’ny fanjakana tsara tantana ary tena manaja ny Zon’olombelona ka mitsinjo ny vahoaka maro an’isa izay voahilika eo amin’ny tombontsoa sy ny zo izay tokony hositrahany. Mila fitoniana sy firaisankina na politika na eo amin` ny samy Malagasy ny fiatrehana izao fotoana sy toe-javatra sarotra izao, ary hahatsapan’ny tsirairay fa manana andraikitra eo anivon’ny fiarahamonina sy ny firenena izy fa tsy hoe olonolom-poana mba sendra velona teto ambonin’ny tany fotsiny.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT