Edito

Fitondrana mirefarefa


  • Sabotsy 17 Martsa 2018

Hatramin’izao, mbola mitohy ihany ny resaka fofon-kelika izay nivoaka teny anivon’ny antenimieram-pirenena ny alatsinainy teo.


 Takon’izany tanteraka ilay votoatin’ny fivoriana eny amin’ity andrim-panjakana ity izay natao hodinihina ao anatin’ny 12 andro. Lasa tsikaritra ho mora voasarika amina resaka tsy mitondra mankaiza eto isika mianakavy satria na dia ny lalàna fehizoro miisa 3 fototry ny hoavim-pirenena aza adinontsika tanteraka fa dia aleo mandrirotra resaka tsy hitondra voka-tsoa toy izany. Efa paikadin’izao fitondrana izao mihitsy ve ny hamolavola ny toe-tsain’ny Malagasy ankehitriny ho mora voasarika amina fandrebirebena isan-karazany na foronina io na tonga tampoka mba tsy hifantohany amin’ny raharaham-pirenena. Nandrebireby teto ny raharaha Claudine izay azo heverina fa aferana kolikoly goavana kanefa dia nanakona afera marobe hafa. Nandrebireby ny fitsakoana mialoha ny vazana nataona minisitra iray nitranga tany Frantsa ary dia maro ihany koa ny tranga hafa takony. Raha zohina, mihen-danja hatrany ireo fandrebirebena lasa mahasarika ny saintsika. Ity farany ity no tena naha ontsa satria dia fofon-kelika no nanakona raharaham-pirenena. Fa dia firenena inona ary isika ity no mandova fitondrana mirefarefa toy izao ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT