Edito

Fitondrana FAT


  • Alarobia 26 Mey 2010


Hafahafa ny fisehon-javatra eto amin’ny firenena tato anatin’izao krizy izao. Mihamafy hatrany ny fahoriana sy ny fiainan’ny Malagasy : izay tsy voahorohoro dia samborina, izay maneho hevitra mitady ny rariny dia aripaka, izay voatondro molotra dia mifarana any am-pigadrana. Noho ny tsy fisian’ny fankatoavana iraisam-pirenena dia mikatona avokoa ny loharanom-bola hanodinana ny fiainam-pirenena ka raha tsy mahita asa ianao na very asa dia noho izany. Raha miha lafo ny vidin-javatra ary mitombo ny jiolahy dia noho izany tsy fisian’ny loharanom-bola izany daholo.

Ny mpianatra any Antsiranana, ohatra, dia tonga dia nolakoina manta sy notifirina, ny sivily teny Fort Duchesne koa. Iza no tompon’andraikitra amin’ireny faty olona ireny ? Dia sanatria ho matimaty foana toy ny valala nosamborim-boka ve izy ireny fa tsy misy lalàna manasazy izay nahavita heloka ? Tsy mba misy arakaraka fa dia izay maty hitomanian’ny havany ary hifalian’ny … Sa izany tokoa no atao hoe fitondrana FAT ?
 
Jean D

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT