Ompa sy latsa niainanay, fonja sy gadra zakanay fa fitiavana sisa mampitsiriritra!»,
hoy ny hiran’i Samoela izay. Mila mino sy manantena foana moa, hoy ny nambaran’ny filoham-pirenena malagasy, farany teo nandritr’ilay hoe antsam-piderana lehibe tery Mahamasina tery. Finoana, fanantenana, fitiavana no mitoetra ankehitriny, hoy ny voalazan’ny Baiboly, fa ny fitiavana no lehibe indrindra, hoy kosa ny tohin’izany teny izany. Tohiny izay zary lasa haivarotra politika na «marketing politique» nentin’ny filoham-pirenena ankehitriny sy ireo mpanaradia azy tao anatin’ny 16 taona mihitsy nentina nambaboana ity vahoaka malagasy ity. Ny finoana ve moa no tsy hananan’ny malagasy, na Kristianina izy na Miozolomanina na Boudista na inona na inona? Ny fanantenana moa iny ilay lazaina hoe mbola antony mahavelona ny tsirairay, ho an’izay mino izay. Tsy misy antony hahavelomana intsony angamba raha foana ny fanantenana. Ao anatin’izany rehetra izany kosa aza dia mipetraka ankehitriny ny fanontaniana hoe aiza ho aiza amin’izao avelan’ny fitondràna ankehitriny manjo ny vahoaka malagasy izao ary ilay antsoina hoe «fitiavana». Ao anatin’ilay fampiaretana fahatapahan’ny herinaratra lavareny, indrindra, ny fijaliana ara-drano tao anatin’izay taona maro izay ve? Ao anatin’io tsy fandriampahalemana mampikolay ny isam-paritra io ve? Ao anatin’izay karama tsy nety nisondrotra tao anatin’ny 5 taona fara fahakeliny izay ve? Ao anatin’izao vidim-piainana miakatra foana tsy hita izay vahaolana maharitra aroson’ny fitondràm-panjakàna manoloana izany izao ve? Tao anatin’izay vidin-tsolika nolalaovina, natao niaka-nidina, na dia efa nisy fotoana aza tafidina ambany dia ambany izay ve ny vidiny teo amin’ny tsena iraisampirenena? Asa indray izao izay hitranga amin’izao fanakatonan’ny iranianina ny «détroit d’Ormuz» na ny sakelodranomasin’i Ormuz. Ho zary mbola ho fialàna bala amin’ny mety ho sanatria fampiakarana vidin-tsolika ato ho ato indray ve? Fitiavana tokoa sisa no mampitsiriritra! Fitiavana sisa!
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.