Edito

Fitiavana fahefana


  • Alatsinainy 09 Oktobra 2023

Nanao ahoana ny firenena rehefa notantaniny? Nihemotra ve sa nandroso?

Samy manana ny mandrosony moa io. Ao ireo hitanisa EPP manara-penitra, biraon'ny kaominina, RN 44, RN 5A, kianjan'ny Barea, “Colisée” sy ny toy izany fa eo ihany koa ny hilaza hoe faha 183/188 amin’ny firenena maneran-tany isika, izany hoe faha 5 amin’ireo firenena faran’ny mahantra. Andao ary mba haverina kely amin’ny filoham-pirenena teo aloha, Andry Rajoelina sy ny mpanaradia azy hoe ilay fanontanina nampetrany tamin’ny taona 2018 tao amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina hoe efa mahafapo ve ny JIRAMA? Efa manana asa ve ny tanora? Efa ampy ve ny sakafon'ny malagasy? Efa mahavelona ve ny karama? Efa mora ve ny PPN na filàna an-davan’andro? Efa mandry fahalemana ve ny vahoaka? Efa tsy misy intsony ve ny kolikoly rehefa hiditra sy hifaninana ho mpiasam-panjakana? Raha eny no valiny, ianao no mahalala ny tokony ataonao. Raha tsia, mifohaza fa aza matory mitsangana intsony, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpanara-baovao isan’ny nanamarika iny faran’ny herinandro iny. Inona no dikan’ilay hoe “Ny fitiavana no lehibe indrindra!”, andinin-tsoratra masina tanisain’ilay kandida nitondra ny firenena farany teo ary mbola marihin’ireo herivelona hafa fa mbola manana tanana hanapahan-kevitra amin’ny fitantanana ny firenena ankehitriny? Niombona tamin’izany fehezanteny izany rahateo moa ny ankamaroan’ny governemantany, mba tsy hilazana hoe izy rehetra. Fitiavana ve ireny fandratrana vahoaka malagasy maneho hevitra an-dalambe tato ho ato ireny? Fitiavana ve ireny kisambotsambotra sy darodaroka na lakolako, hoy ny fitenin’ny tanora atao amin’ny mpiray tanindrazana ireny? Fitiavana ny malagasy ve ireny? Fitiavana fahefana angamba no tena hita ho miseho lany! Araka ny efa fantatry ny olombelona rehetra anefa, na inona na inona eto ambonin’ny tany, tsy maintsy misy fiafarany!
J. Mirija

 

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT