Edito

Fitiavana ?


  • Alakamisy 30 Septambra 2010


Oh, oh, oh ! F’angaha dia jamban’ny fitiavana marina ianareo ry Jean no dia hatramin’ny fahafahana sy fahalalahana avy no nofotsifotsiana a ? Marco ihany ity e ! Mba zendana mihitsy izahay raha mba nanao jery maimaika ilay volavolan-dalàmpanorenana nosoratan-dry zalahy teny Tsimbazaza ireny. Vao nojerena dia tamin’ny teny frantsay manontolo hay ity nanoratana azy, nefa ho an’ny Malagasy, sa izay no baiko ? Amin’izay dia nosoratana mivandravandra fa dia ny teny frantsay sy ny tenindreny ihany no tenim-pirenena. Izao izany isika vao tena ho faty an-kazo tokana ry Jean. Tsy mahalala ary tsy atao hahalala afa tsy Lafrantsa. Dia naverina indray ity faritany mizakatena enina, izay nokianinareo mafy hoe tsy nampandroso teto ary fototry ny fahotana nataon’ny mpitondra nifandimby nandritra ny 50 taona.

Tsy ataonay hahagaga ity fiovaovanareo ity, fa ny ekenareo anio lavina rahampitso ary ny lavina omaly ekena indray anio. Dia holalaovina eto ve izany ity firenena sy ny vahoaka efa sempotry ny fahantrana ity e ? Fa ny fahasahiana hanoratra anaty lalàmpanorenana izato anaran’i Andry Rajoelina, araka ny andalana fahatelo amin’ny andininy faha-168 no mba mahavaka ny saina, hoe manohy ny asany mandra-pahavitan’izay filoham-pirenena voafidy eo ny fianianany. Te hilaza ve ianareo ry Jean, fa fanamafisana ny tsy filatsahany hofidiana io andalany io a ? Fa ny fanontanianay anie dia hoe iza ary taiza no nifanarahana an’io, fa ny eny Ivandry sy Behoririka ary Anosizato anie ka tsy manaiky an’izany e ! Sao mba ianareo indray no handrehitra afo eto ka raha fitiavana no tianareo hatao dia fifandirana sy fifanjevoana no hiafarany eto ! 

Marco, rahampitso indray

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT