Edito

Fitiavan-tanindrazana sadasada ?


  • Talata 28 Martsa 2023

Isan’ny lesoka eto amin’ity firenentsika ity ny tsy mba fanekena ny fahadisoana ataon’ireo mpitantana, fa dia ny azy ihany no marina, ary na efa midona amin’ny rindrina aza,

dia mitady izay hamaharana sy hanangonana ny rihitra. Nihazakazahana ny nandrombaka fahefana efa in-droa nisesy ho an’ny fitondrana tarihin’ny Filoha ankehitriny fa mby aiza izao I Madagasikara? Hoentina amin’ny mokon-doha sisa ny fitantanana firenena, ka ireny efa niaraha-naheno ireny ny vavabe tany aloha hoe: “izahay aloha izao no eto”! Tafiditra ao anatin’ny fahatsiarovana ny tolom-panafahana nimatimatesan’ireo Raiamandreny be tany aloha isika, ka asa hoe: mifanaraka amin’ny làlan-tsaina sy ny tolona nataon’izy ireo ve izao làlan-jotra itondrana ny firenena izao? Sanatria toa efa fombafomba sy natao hakana doka politika anefa sisa fahatsiarovana ny tolom-panafahana izany ankehitriny satria ilay tanindrazana nitolomana ny fahafahany toa iadiana sisika ny hanapotika azy? Lavitry ny firaisam-pirenena isika ankehitriny, ary toa lavitry ny maha firenena na “nation” fa mbola Fanjakana na “Etat” raha tarafina amin’ny fomba fiaina sy fisaina eto amin’ity Madagasikarantsika ity. Ny mpitondra sy ny mpanao politika tsy mahay miombona, ary lojika raha tsy mahay mampiombona ny Malagasy. Ny vahoaka ihany koa anefa indraindray toa zarazarain’ny fijery politika tsy mitovy, ny resa-poko sy fihaviana,… Vokany, lany andro mifanipaka toy ny valala an-karona eto isika, tsy manam-potoana intsony hamantarana an’izany Madagasikara izany sy hitiavana azy. Ny olona mitsiriritra ny harenantsika eto, fa isika kosa toa tsy mahalala akory hoe: iza isika? Manao ahoana ny tanintsika? Tena tsy azo vahana ve ny olan’ny firenena? Ny olombelona ny harena voalohany eto ka raha sanatria tena tsy afaka ny hifankatia sy hifanohana isika dia iza no antenaina hanavotra ity Gasikara ity? Tsy afaka ny hanary toky isika, ary ho ela na ho haingana dia irariana ho tonga amin’ny fifohazan-tsaina sy fanahy ka hihevitra fa fotoana hanovana sy hijerena ny soa iombonana izao.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT