Fitiavan-tanindrazana sa fahefàna?

Mifandrirotra izany amin’izao fotoana


  • Alakamisy 16 Oktobra 2025

izao ny fitondràna miaramila nahazo fahefàna

tamin’ny alalan’ny hetsi-bahoaka teto amin’ny firenena sy ny filoham-pirenena niongana, Andry Rajoelina. Andaniny, ny fahefàna mandray toerana ato anatiny izay miha mahazo fankatoavana hatrany amin’ireo herivelona isan-tsehatra eto amin’ny firenena toy ireo sendika marobe, ny mpanakanto, ny hery politika samihafa hatramin’ireo fiarahamonim-pirenena isan-karazany, izay nanambara fa tsy fanonganam-panjakàna no nataony fa fandraisana andraikitra eto amin’ny firenena. Fanampin’izay, hoy ireo hery politika maro sy mpandinika samihafa, dia nisy rafitra ara-dalàna samihafa toy ny antenimieram-pirenena sy ny Fitsaràna avo momba ny lalàmpanorenana na HCC koa tao nankato izany andrim-panjakàna ity. Etsy ankilany, ny fitondràna nampitroatra fidinana an-dalambe noho ny fijaliana ara-drano sy herinaratra teto amin’ity firenena ity, izay mbola mandrokindroky ny sehatra iraisampirenena samihafa any am-pitan-dranomasina any na any amin’ny toerana izay tsy fantatra mazava hoe aiza no misy azy any hiaro ny fahefàny izay ara-dalàna, araka ny fomba fijeriny. Izao tontolo izao nahita ny herisetra, habibiana mihitsy nampiharin’ireo mpitandro filaminana, andeha ho lazaina hoe nihoam-pefy, mba tsy ilazàna zavatra hafa, tamin’ireo vahoaka nidina an-dalambe nikasa hitaky tamim-pilaminana ny mba hamerenana amin’ny laoniny ny famatsian-drano sy herinaratra any an-tokantranony, ny mba hanafoanana ny kolikoly eto amin’ny firenena, ny mba hamerenana ny fandriampahalemana, ny mba hanalefahana ny vidim-piainana, ny mba hanamboarana izay efa hita miharihary rehetra fa tsy mety eto amin’ity firenena ity nanomboka ny 25 septambra lasa teo. Izany rehetra izany, araka izany, no ampahan-javatra niainana teto amin’ny firenena tao anatin’ilay fitondràna mbola midongy fahefàna sy mitati-bolana any amin’ireo firenena heveriny fa afaka hanampy hamerina azy amin’ny toerany any amin’izao fotoana izao. Mpitondra namela ny firenena ho lasa farany mahantra indrindra eto ambonin’ny tany io mitaky ny famerenana azy amin’ny toerany amin’izao fotoana izao io, raha fehezina fohy dia fohy. Tombana iraisampirenena maro niarahan’ny mpanara-baovao nahita no nampiseho izany fa tsy hoe namorona isika. Nanamarina izany ny tahirim-bola iraisampirenena na FMI, ny banky iraisampirenena, ny rafitra misy any amin’ireo firenen-kafa toy ny any Soisa sy ny hafa rehetra tsy voatanisa. Mipetraka ny fanontaniana ankehitriny. Tena ho an’ny tanindrazana tokoa ve no anton’ilay mbola fidongiana toerana sa ho an’ny fitiavan-tena? fitiavan-tanindrazana sa fahefàna no antony?
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT