Fitiavan-tanindrazana

masirasira !


  • Alakamisy 02 Jolay 2026

Tsy misy maniry ity Firenena ity

hilentika sy hahantra lava eto angamba raha mbola mieritreritra sy mahatsapa tena fa Malagasy. Ny efa nisafidy zo-pirenena vahiny sy nampamono vahoaka mba niarovan-tseza aza mbola mihiaka any ivelany any fa ao am-pony mandrakariva honobny vahoaka Malagasy ! Sahirana ny firenena, sahirana ny vahoaka, saingy betsaka ny vahiny mankafy ity nosintsika ity: harena, zava-boahary, fomba fiaina,... Heverina fa tsy misy mpitondra na mpanao politika mieritreritra fa rehefa tonga eo dia tena hoe: hanao izay hamotehana ny Firenena no vaindohan-draharahany, na ekena aza fa betsaka ny adalana rehefa mahazo tsirom-pahefana. Matoa anefa toy izao ny zava-misy, matoa potika toekarena, matoa mahantra ny vahoaka, matoa manjaka ny kolikoly,... dia mila miaiky miainga any an-tampony ka hatrany amin'ny farany ambany fa misy tsy mety mila harenina. Ekena fa manao ny ataony ny vahiny, saingy tsy tokony ho fatra-panenjika an'ireny fa mila mandinin-tena hoe: avy amintsika ihany koa no isan'ny fositra. Betsaka ohatra ny tany lasan'ny vahiny fa moa vazaha ny tompon'andraikitra ambony sy ny mpiasan'ny fananan-tany ? Manjakazaka ara-toekarena ny vahiny fa moa tsy isika samy isika no mifamely amin'ny resaka lalàna ohatra fa ny vazaha tsy sahy kitihina na manao ny tsy mety aza satria misy any no maka vola rehefa propagandy,... Tsy vitan'ny kabary an-tendro-molotra raha tena hanova isika, fa tena mitaky finiavana sy fahasahiana fa tsy fifamendrofendroana sy kabary hitadiavan-tehaka ifandovana lava eto, mba tsy ho fitiavan-tanindrazana masirasira.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT