Edito

Fitaovana hatramin’ny soatoavina


  • Alatsinainy 16 Janoary 2023

Misafotofoto vao maraina ihany moa ankehitriny ny raharaham-pirenena rehefa mijery ny zava-nisy tao anatin’izay tapaky ny volana janoary 2023 izay.

Efa notanisaina teto ny fitokonana faobe sahadin’ireo mpiasam-panjakana sasany, ny fiapangana amin’ny resaka vaovao tsy marina toy ny raharaha any Ikongo sy ny ao atsimo atsinanana, toy izany koa ny famerenana mpampaneno lakolosy any am-ponja, ny fitotongan’ny vola malagasy sy ny maro samihafa. Manoloana izany dia maro sahady ihany koa ireo herivelona eto amin’ny firenena na mpanao politika io na fikambanana na fiarahamonim-pirenena, hatramin’ireo mpisehatra ara-tsosialy sasany aza dia manahy ny amin’ny mety hipoahana korontana na sanatrian’izany rotaka mihitsy eto amin’ity firenena ity raha toa ka mbola mizotra amina lalana efa fantatra fa tsy ahombiazana ny mpitondra ankehitriny. Tsy inona moa izay lalana tiana ambara izay fa dia ny efa hita raha tsy hiresaka ny tao anatin’izay 4 taona izay fotsiny. Tsy mila miresaka ny hatramin’ny fotoana nanomboka tamin’ny fanonganam-panjakana 2009 akory. Ny fomba fitantanana rehetra niainana teto tao anatin’izay fotoana izay dia hiaraha-migoka ankehitriny ny vokany. Sandam-bola mitotongana, vidin-tsolika mampikaikaika, vidim-piainana mampikolay, tsy fandriam-pahalemana mampitaintaina, sosialy sy fahasalamana mampanaintaina. Izany rehetra izany no vokatr’ireo fampanantenana miaraka amin’ny datim-panatanterahana mihemotra lava, ny olan’ny herinaratra mamotika fihariana maro, ny volamena nivadika vy, ny andramena mitokona fotsiny ao amin’ny misy azy ao tsy fantatra mazava hoe nanao ahoana no niafarany, izao koa tsy fantatra mazava hoe oviana ny tolo-bidina fotodrafitr’asa sasany, hay efa vita tao amin’ny mangingina, mba tsy hilazana hoe tsy tao amin’ny mangarahara toy ny fitantanana ny volan’ny COVID tao. Izao misy ity resaka fivarotan-jaza any amin’ny faritra sasany ity dia lazaina tsy am-pihambahambana fa tsy misy an’izany satria tsy soatoavina malagasy izany. Oviana moa teto no tsy nisy soatoavina malagasy tsy voadika? Ny zafikelin’ny sasany aza aolany. Sa hiteny indray ny mpitondra fa tsy mbola nisy an’izany na dia efa ho am-polony aza ny tranga toy izany voatatitr’ireo filazam-baovao isan’andro? Lava be moa ilay izy raha tohizana fa dia zary hita ho mitady ho lasa fitaovana hatramin’ny soatoavina ihany koa izany izao ankoatran’ny resaka sendika sy fikambanana na toe-draharaha hafa.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT