Edito

Fitantanana Tip top


  • Talata 09 Novambra 2021

Ny eo tsy milamina ny eo misosoka ihany! Rehefa tena zohiana, tsy misy mandeha amin’izay laoniny ny fitantana ity firenena ity, fa tena miainga amin’ny “tip top” mandavan-taona.

 Tsy misy sehatra tsy haharenesana olana. Mba nilamindamina ny an’ny mpanao làlana sy ny mpiasan’ny oniversite taorian’ny grevy sy fitakiana am-bolana maro satria nampanantenaina fa ho avy ny vola satria manam-bola, hono, ny Fanjakana, dia misosoka indray ny hafa. Raikitra ihany koa io ny grevin’ireo mpiasan’ny laboratoara nasionaly momba ny asa vaventy sy ny fotodrafitrasa (LTPB) noho ny tsy fahatomombanana maro, ary tonga hatrany amin’ny fitakiana ny fialan’ny mpitantana; Miha mangotraka fitakian’ny mpiasan’ny an’ny Orinasam-panjakana mpanamboatra sy mpikojakoja sambo (SECREN) any Antsiranana noho ny karama sy zo am-bolana maro tsy voaloa; mangotraka ihany koa ny fitakiana any amin’ny Sekoly ambony momba ny teknolojia (IST) any Antsiranana noho ny tsy fisitrahana ny zo samihafa,… Io lasa resabe eo amin’ny sehatra ara-toekarena sy sosialy io ny ho fanambaran’ny mpitatitra fa hampiakatra saran-dàlana afaka tapa-bolana latsaka,… Tena krizy mandavan-taona, ary miharihary ny tsy fahazakan’ny mpitondra ankehitriny firenena. Havanana amin’ny fandrombahana fahefana, fa osa sy marefo amin’ny fitantanana firenena. Vao fitantanana izany, fa mbola adihevitra hafa indray ny hoe: fampandrosoana miainga amin’ny laharam-pahamehana tanterahina. Isan’ny fatra-pangala-tahaka ny Frantsay isika ka mila tsiahivina angamaba ilay tenin’i Jeneraly De Gaulle fahizay hoe: “Gouverner c’est prévoir”, izany hoe ny mitondra dia mila mahay mijery lavitra sy mitsinjo ny zavatra mety hitranga. Tsy misy fitantana firenena tsy misy olana izany, fa ny fahaizana misoroka sy mamaha an’ireny haingana no taratry ny fahaiza-manao. Ny eto kosa ny atao voalohany dia ny hoe: aiza no azo hamaharana sy hanilihana ny rihitra, hany na zavatra nolazaina hovitaina tao anatin’ny fotoana mbola tsy noeritreretina akory ny hisian’izany coronavirus izany toy ny ozinina indostrialy fanaovana “ethanol” tamin’ny 2019 aza nolazaina fa niato noho ny hamehana satria toa tsy mba manana fahintsiana na “honnêteté intellectuelle” mihitsy. Ny tsy fangaraharahan’ny fitantanana moa tsy resahina intsony, fa toa hifaninana ny migalabona sy miliba amin’ny volam-bahoaka!!!?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT