Edito

Fitantanana sadasada


  • Alatsinainy 04 Aprily 2016

Hametraka vato fototra hanamarihana ny fanombohan’ny fanamboarana fotodrafitrasa momba ny fahazoana rano fisotro madio eny Ankadivoribe sy Mandroseza anio alatsinainy ny filoham-pirenena


. Efa fomba fanao ihany moa ny zavatra tahaka izao rehefa mba te hivoaka, hiseho vahoaka kely sy hilaza ny heviny momba ny raharaham-pirenena ny filoha. Ary andrasan’ny maro ny tena heviny marina momba ireo resabe etsy sy eroa toy ny fiomanana amin’ny frankôfônia, ny resaka 29 martsa nisian’ny savorovoro teto Antananarivo, ny fitarazohan’ny fivoahan’ny famatsiam-bola, ny lalan-dratsy etsy sy eroa, tsy ny eto an-drenivohitra ihany fa amin’ny faritra maro, ny firongatry ny kolikoly sy ny asan-dahalo. Toa Vahaolana vonjy tavan’andro fotsiny mantsy no hita fa tsy misy ny tena fepetra hentitra sy voarindra tsara, hany ka miverimberina ny olana fa tsy mety voavaha hatramin’ny farany. Manomboka mivoaka ny fanehoan-kevitra tato ho ato fa tokony haroso ny fifidianana filoham-pirenena. Eo ihany koa ny hoe avereno aloha ny nosy manodidina izay vao miresaka frankôfônia. Tsy tongatonga ho azy ny fanambarana politika tahaka izany fa mety efa misy manana drafitra any ambadibadika any. Izany ve moa tsy ho fantatry ny mpitondra ! Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe :inona ny vahaolana ? Moa ve tena mbola mahavita mitantana an-tsakany sy an-davany ny firenena ao anatin’izao sangodim-panina tsy mety vita izao ihany ny HVM ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT