Edito

Fitantanana ny firenena Mila mahalala ny lalan-kizorany ny mpitondra


  • Alakamisy 18 Desambra 2014

Tsy hitera-bokatsoa ho an’ny fiarahamonina ny fambolena korontana eto Madagasikara. Azo vahana izany amin’ny alalan’ny fifampiresahana manoloana ny tsy fitovian-kevitra na koa ny fahasamihafan’ny fomba fijery amin’ny fitantanana firenena ka tsy maintsy atao laharam-pahamehana hisorohana ny fitsaboana aorian’ny fahafatesana, araka ny hevi-dRamanantsoa Randriamifidimanana

Dingana lehibe no efa vita taorian’ny fifidianana filoham-pirenena sy ireo solombavambahoakan’i Madagasikara tamin’ity taona 2014 ity saingy mbola sakana tsy ahafahantsika mandroso foana hatramin’izao ny olana ara-politika noho ny hambom-po diso toerana. Lasa faralahin-draharaha eto amin’ny firenena hatrany ny sehatry ny toekarena izay tokony hitana ny toerana voalohany amin’ny lafiny fampandrosoana, hoy ny filohan’ny Fivondronan’ny Mpandraharaha Malagasy. Tsy fotoanan’ny tsikera na fanehoan-kevitra momba ny Tetibolam-panjakana 2015 intsony koa izao, araka ny fanampim-panazavany. Mbola ho avy rahateo ny fotoana hanaovana fanitsiana ireo lalàna tsy mifanaraka amin’ny zava-misy. Tsara hotsindriana kosa ny fahafantaran’ny mpitondra ny lalan-kizorany amin’ny fitantanana ny firenena, hoy ihany ny prezidan’ny Fiv.Mpa.Ma.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT