Edito

Fitantanana firenena Tena mila traikefa, ekipa, mpanolotsaina mahay


  • Alatsinainy 17 Oktobra 2022

Tsy vitan’olona iray ny fitantanana firenena, fa tena mila ekipa mafy sy matanjaka amin’ny lafiny rehetra: politika, diplaomasia, toekarena, sosialy,…

Tsy afaka ny hiolonolona eto, fa mila fivelarana, traikefa, fahaiza-manao, fifanakalozana, fiaraha-miasa amin’ny endriny maro. Zava-dehibe ny fahaizana misafidy ny mpiara-miasa akaiky, mpanolotsaina,… hiaraka manantanteraka ny vina sy programan’asa mazava mifanaraka amin’ny filàn’ny firenena, arahina paikady mafonja sy maty paika, mba tsy ho lasa zavatra misavoamboana sy hakana ny fon’ny mpifidy fotsiny. Mila mahay mandresy lahatra ireo manam-pahaizana Malagasy mielim-pantrana hitondra anjara biriky amin’ny firenena, ary tena homena sehatra sy halokalofana ara-politika ireny. Ny eto mantsy, ny mpanao politika mpila ranondranony no mahazo vahana, matetika anefa ireny tsy hery sy tanjaka ho an’ilay Fanjakana sy filoha fa vao mainka enta-mavesatra satria sady tsy mamokatra no manao takalon’aina ilay Fanjakana, mangalatra sy manao afera fotsiny. Raha tarafina amin’ireo filoha nifanesy, samy nanana ny fahaizany, samy nanana ny fetrany ireo filoha teo aloha, saingy nisy ny niaiky ny fetrany, ary tsy fandokafana raha mampahatsiahy fa i Marc Ravalomanana dia niantso manam-pahaizana samihafa tahaka ireo Malagasy sangany izay saika niasa tany amin’ny sehatra iraisam-pirenena toy ny Banky Iraisam-pirenena, tahirim-bola iraisam-pirenena,… ary niverina niasa any ireny rehefa nirodana ny Fanjakana. Niantso manam-pahaizana vahiny toy ilay mpahay toekarena efa nahazo ny amboara Nobel dia I Joseph Stiglitz, ilay Franco-Norvegienne malaza izay nanolo-tsaina azy momba ny lalàna, mpanolontsaina ara-politika teratany Allemand Docteur Einsslin, ilay Frantsay Michel Prévost sy ilay Norvezianina Roger Christen teo amin’ny lafiny PIC (Pôles Integrés de Croissance),… Ilaina ny miantso sy mampiasa vahiny rehefa tena misy zavatra tsy voafehintsika, ary hararaotina ireny hanovozana fahaiza-manao, saingy matetika isika no miavon-tsy feno, hany ka lasa tsy ambony tsy ambany tahaka ny lohalik’alika. Atao mahagaga ve raha lasa fitaratry ny ONUDI na ny Rafitry ny Firenena Mikambana momba ny fampiroboroboana indostrialy I Madagasikara, efa rafitra nipetraka tamin’izany ny EDBM (Economic Development Board of Madagascar), ny Bianco.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT