Fitantanana dangodango!

Mitodika etsy amin’ny HCC Ambohidahy indray izany ny


  • Talata 16 Aprily 2024

mason’ny mpanara-baovao anio. Efa fantampatatra ihany anefa no hitranga satria omaly hariva ihany dia efa nandeha ny didy tsy azo ivalozana maro.

Ny zava-baovao kanefa efa tsinjo mialohan’ny fotoana dia ho banga indray ihany koa ny mpikamban’ny governemanta manomboka anio. Dia samy miandry ny rehetra hoe: holalaovina ao indray ve ny fahabangana sa hiandry vita fifidianana indray ka hampiandraketina vonjimaika an’ireo minisitra tavela sy tena atokisana? Feno aza ny isan’ny mpanatanteraka izao no manjo ny firenena, mainka mbola ho banga indray? Miharihary hatrany aloha izany fa tena hoentina amin’ny tsy fahamatorana ny firenena, ny seza sy ny kajy politika no maika,… ka tsy atao mahagaga raha miha milentika hatrany. Vao telo volana nitsanganan’ny governemanta dia banga sahady ny toerana 7 eo anivon’ny mpanatanteraka dia inona fitantanana sy fampandrosoana ho vanona amin’izany? Ny Minisitra miisa 3 misahana ny fampianarana, ohatra, samy miala daholo kanefa atomotra ny fanadinam-panjakana ka moa tsy mitombo ny famotehana ny fampianarana eto? Sarotra ho an’ny mpitondra mihevi-tena ho andriamanjaka anefa no hanaiky diso, fa anjaran’ny vahoaka no mila tonga saina sy mandray andraikitra mifanandrify amin’ny zava-misy! Raha mitohy ny hazo lanin’ny voalavo ny lanitra e!
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT