Edito

Fitakiana ny «îles éparses » Miandry ny fiaraha-mientan’ny Malagasy, hoy ny CRAM


  • Alatsinainy 01 Febroary 2016

Manamafy ry zareo avy ao amin’ny Cercle de Réflexion pour l’Avenir de Madagascar (CRAM) fa tsy nofinofy tsy akory ny fitakiana ny îles éparses, izay tena mbola faritanin’i Madagasikara mihitsy.

 

 Tsara ho fantatry ny mpiray tanindrazana, hoy ny CRAM  fa ny Préfet de la Réunion no miandraikitra ny fitantanana ireo nosy malagasy ireo nanomboka tamin’ny 1 aprily 1960 ka hatramin’izao. L’Archipel des Glorieuses : 220 km avaratra andrefan’Antsiranana no misy azy ary  1 300 km ny Nosy  La Réunion ; Juan de Nova : 150 km miala ny morontsiraka andrefana malagasy ary 1 400 km ny Nosy La Réunion ; Europa : 300 km ny morontsiraka atsimon’i Madagasikara ary 1 550 km ny Nosy La Réunion ; Bassas Da India : 380 km andrefan’i Morombe ary 1 600 km ny Nosy La Réunion. Tsy mifanaraka velively amin’ny Convention des Nations Unies sur le droit de la mer izany. Fananan’ny firenena malagasy madiodio ireo Nosy ireo raha eo amin’ny lafiny ara-jeografika sy ny voalazan’ny lalàna mifehy ny fari-dranomasina maneran-tany. Tsy misy antony tokony hampihazohazo ny mpitondra fanjakana malagasy mihitsy ny fangatahana ireo Nosy ireo satria manaja ny lalàna iraisam-pirenena nataon’ny sonia ny firenena roa tonta sy ireo fehin-kevitra noraisin’ny Firenena Mikambana momba an’ireo nosy malagasy. Tsy tokony ho diso fandraisana fanapahan-kevitra koa anefa ny fitondram-panjakana malagasy amin’ny fitakiana ireo Nosy malagasy ireo satria « efa tonga eo amin’ny dingana farany isika amin’ity taona 2016 ity » araka ny nambara tamin’ireo solombavambahoaka teny amin’ny Lapan’ny Antenimieram-pirenena ny 18 desambra 2015. Miandry ny fiaraha-mientan’ny vahoaka malagasy sy ireo Solombavambahoaka eo amin’ny kianjaben’i Mahamasina izao tontolo izao.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT