Edito

Fita-bitro no betsaka !


  • Talata 19 Febroary 2019

Mitamberina ao an-tsain’ny maro ny adihevitra samihafa tamin’ireny fampielezan-kevitra tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ireny.

 

 Rehefa tena dinihina, dia maro ny teny tsy voahevitra nataon’ilay filoha ankehitriny. Natao izay handresen-dahatra ny vahoaka, fa rehefa lany indray ho hita eo ny tohiny e ! Andeha hotsiahivina ilay resaka zato andro nataon’ilay filoha teo aloha nifanandrina taminy, hahafahana mamaha ny olan’ny delestazy, ny fifehezana ny vidim-piainana,… dia iny ihany koa ny anao lahy fa may ny endim-boanjo amin’ny hoe efa manao izao fa tsy miandry zato andro izany fa efa vonona daholo ! Tsaroana ery ny hoe: tsy miandry tonga filoha fa tonga dia miasa, ka nandeha ny an-kizarazara toy ny kitapo. Nalefa ny tsena mora hitsinjovana ny sahirana, hono, kinanjo toa niara-tapitra tamin’ny propagandy. Ny vary mora nampanantenaina tamin’ny fianianana aza moa tsy re tsaika intsony. Rehefa tena dinihina dia atao mihitsy aloha izay hampangirifiry ny vahoaka amin’ny lafiny maro : tsy fehezina ny vidim-piainana, navela hijaly tamin’ny delestazy, manjaka ny tsy fandriampahalemana,… dia avy eo mody tairina kely amin’ny vahaolana petatoko toy ny vary mora sy famerenana amin’ny laoniny ny resaka famatsiana herinaratra. Rehefa avy mangirifiry rahateo ny olona ka misy ivina vahaolana mba hilazana fa miasa sy mandray andraikitra ny fanjakana, dia mety ho asa goavana no handraisan’ny olona an’iny, kanefa ny teo ihany no eo fa ny fiainam-bahoaka fotsiny no iniana lalaovina, rehefa tena halalinina. Fita-bitro sy kilalao maloto no betsaka mba hoenti-milaza fa miasa ny fanjakana. Efa nivoaka iny ny programa ankapoben’ny fanjakana, ka izay tsy ao anatiny dia aleo tsy asiana fanantenana betsaka sao hanantena an’Ambatondrazaka ho lasa toa an’i Parisy eo tokoa, na i Toamasina ho tahaka an’i Miami,… fa efa tsy atao mahagaga intsony io kabary sy famahanan-dalitra io. Tsy vao izao rahateo no nandrenesana fampanantenana poak’aty fa efa re teto 10 taona lasa izay anie ny hoe: efa amboarina any ampitan-dranomasina ny tramway ary ho avy afaka volana vitsy, hanamboarana trano miisa 10 000 ny tanora, ary tamin’ity dia lasa 50 000,… Ny programa aloha efa voasoratra ary mora ny miteny kanefa mbola any ankibon’ny omby ny fomba hanatanterahana azy. Manomboka mitambezo sy miandrandra vola amin’ny mpamatsy vola mahazatra satria kofona, ary fatoran’ny teny sy ny fampanantenana natao. Ny politikan’ny famarotan-tanindrazana mivantana na an-kolaka no anisan’ny fomba tadiavina hamitaham-bahoaka amin’ny fananganan-javatra hoenti-mirehareha eto. Mila mailo ny rehetra !

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT