Edito

Fisotroan-dronono ho an’ny tantsaha Tokantrano 500 no hadihadiana any Itasy


  • Alakamisy 10 Jolay 2014

Mbola mitanila ny Fiahiana ara-tsosialy eto Madagasikara ka dia ny mpiasam-panjakana sy ireo mpiasa amin’ny orinasa tsy miankina fehezin’ny Satan’ny asa sy ny Lalŕnan’ny asa an-dranomasina ihany no manana Fiahiana ara-tsosialy....

Ireo tantsaha 80% mpamelona ny malagasy hatramin’izay dia voatery miasa mandrapahafaty mihitsy aza satria tsy mba manana vola horaisina rehefa tonga ny fahanterany. Izay no nahatonga ny CNaPS sy ny Tranoben’ny Tantsaha tapa-kevitra hiara-kiasa hametraka fisotroan-dronono ho an’ny tantsaha mpamokatra.

Tokantrano miisa 500 any Arivonimamo, Miarinarivo, Analavory ary Soavinandriana no tetezin’ireo teknisianin’ny Tranoben’ny tantsaha hanangonana antontan’isa mikasika ny fiainana andavanandron’ireo tantsaha, hetsika haharitra telo herinandro. Miankina amin’ny valin-tenin’ireo tantsaha avy eo no ametrahana ny rafitra fisotroan-dronono ho an’ny mpamokatra. Tsy mbola voafaritra aloha hatreto ny mety ho latsakemboka aloa sy ny endriny fa miankina amin’ny vokatry ny fanadihadiana atao izany. Ezahina hotratrarina hatramin’ny faran’ny volana Aogositra izao ny Faritra 22 eto Madagasikara.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT